Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 19h33
 

Teny zato, kabary arivo

Hipoaka ny sarom-bilany

lundi 3 septembre 2007 |  215 visites  | Naivo kely

Nalaza tampoka tsy fidiny teo i Bahamas. Maro no efa nijery sarintany hoe aiza marina eto amin’ity planeta tany ity tokoa i Bahamas. Tsy vitsy ihany koa ireo manaiki-tanana fa very fihinanana sy vola. Izay foana no ilazana etoana fa tsara ny misoroka toy izay mitsabo.

Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety voalohany ity orinasa milaza ho mahita asa aman’arivony hatolotra ny gasy kely ity. Tao sy niara-nipetraka tamin’ireo milaza azy ho tompon’andraikitr’izao fampandisoam-panantenana goavana izao mihitsy ny solontenan’ny ministeran’ny Asa eto Madagasikara, ka nandray fitenenana fa misy tokoa io asa any Bahamas io.

Nirohotra Ragasy kely be fivoarana fa 1 tapitrisa Ariary isam-bolana, hono, ny karama farany ambany any Bahamas. Filaharana sy fifanosehana no tazana teo Antsahavola. Nangina tsy nahenoam-peo ny ministera. Nilaharana ny tetsy Anosy. Samy mbola tsy taitra ny tompon’andraikitra isan-tokony. Nasaina nandoa vola Ramalagasy raha te ho tafiditra ao amin’ny sokajin’ireo mpiasa ambony. Izay vao taitra Rafanjakana fa tsy mifanaraka velively amin’ny lalàna velona eto Madagasikara ny fampandoavam-bola izay mitady asa. Dia ny tantara dia mbola mitohy….

Asa, ny filoha mihitsy angaha no andrasan’ny sasany hirotsaka an-tsehatra vao ho hita marina izay tena fandehan’ity tantara nahabe fanantenana ny mpiasa malagasy ity.

Be ny fanontaniana mipetraka, toy ny hoe : tsy efa tokony tany am-boalohany ve no nanadihady ny fisian’ity orinasa any Bahamas ity ?!!!

Koa aoka ary tsy ho gaga fa tsy ho ela dia hipoaka ny sarom-bilanin’ity tantara ity e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS