Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 21h12
 

Teny zato, kabary arivo

Singam-bolo nandavo ny vositra

lundi 20 août 2007 |  176 visites  | Naivo kely

Nivalona hatreo indray ny lalaon’ny nosy andiany faha-7 izay natao taty Madagasikara, ka azo ambara fa fahombiazana no hita nandritra ny 10 andro nanatanterahana iny lalao goavana iny.

Fahombiazana satria, isika malagasy no nibata ny medaly volamena 101 izay hita fa tsara ny ezaka nataon’ireo atleta malagasy. Io no medaly volamena be indrindra azon’ny Malagasy nandritra ny lalao rehetra natao hatramin’izay, ary ny gasy no nanokatra ny fahazoana medaly volamena teo amin’ny fanombohan’ny lalaon’ny nosy, ka ny taranja hai-ady no nanokatra ny medaly teo amin’ny lalaon’ny nosy, ary mbola isika ihany koa no nanakatona ny fahazoana medaly volamena omaly teo amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka.

Ny vahiny mpandray anjara rehetra, samy hafa-po avokoa nandritra ny lalao, indrindra fa ny sakafo sy ny lanonana isan-karazany teny amin’ny trano fandraisana ireo atleta teny Alarobia dia hita fa nafana. Ny lesoka koa anefa dia maro raha iny lalao iny no asian-dresaka. Teo ny tsy faha-lavorarian’ny tambin-karama nomena ireo mpitsara, izay hiteraka tantara ratsy ho an’ny firenena Malagasy. Ny olana tany am-boalohany momba ny trano fandraisana, saingy soa fa niravona iny. Ny tena zava-doza dia ny tsy fahazakantsika Malagasy resy. Ireny ompa sy toraka tavohangy atao amin’ny mpifanandrina amintsika ireny, dia mariky ny toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany, satria f’angaha tsy natao ho resy ireo tanora malagasy ireo ? Ny fampihinana kisoa ny kaomoriana sy ny teny ratsy ataon’ny mpijery ireny dia heverina fa hafanam-po diso toerana, ka ireo voatanisa faraparany ireo no mety ho singam-bolo handavo ny vositra tamin’iny lalao iny. Ny ady dia tsy maintsy misy mpandresy sy resy, ka raha ilay voalohany no tiana ho azo dia entano ny fanjakana hanao ho vaindohan-draharaha ny fanatajahan-tena eto amintsika dia tsy ho resy mihitsy isika raha ao izay tohana izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS