Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 21h34
 

Teny zato, kabary arivo

Voafitaka ny fototra

mardi 21 août 2007 |  190 visites  | Naivo kely

Gina tsy nahaloa-peo ny teny anivon’ny fototra raha nandre indray fa ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny hanaovana ilay zaikabem-pirenena saika hataon’ny atoko TIM ny faha-25 aogositra izao. Gina satria iza tamin’ny mpikambana manerana ny Nosy no tsy vonona hiatrika io kongresy io ? Kongresy izay heverina fa handaminana ny toro-marika rehetra taorian’ireny nisian’ny disadisa tao anatin’ny antoko ireny ? Niainga teo ihany koa ny toro-marika rehetra hampandresena ny antoko « Tiako I Madagasikara » amin’ity fifidianana solombavam-bahoaka ity.

Ny hita sy azo soratana aloha hatreto, dia matahotra ny alahelon’ny mpikambana ifotony isam-pokontany ity antoko ity tamin’ny fanendrena avy any ambony ireo harotsaka ho depiote, ka aleo ahilika any amin’ny fandravana solombavam-bahoaka ny raharaha, izay fototra nadavana ity kongresy ity.

Voafitaka aloha hatreto ny fototra tao amin’ny antoko « Tiako I Madagasikara », kanefa tsy midika io fa malemy izany antoko izany, satria ny disadisa sy ny paipaika politika tsy maintsy atao, koa samia misikim-ponitra izay antoko te-handresy ity antoko heverin’ny sasany fa tsy mahay mametraka ny lamina anatiny ka manome vahana ny mpanohitra ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS