Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Ho hita eo

jeudi 31 mai 2007 |  196 visites  | Naivo kely

Ao anatin’ny ady hevitra tanteraka ny lohan’ny heverana ho fampandrosoana na ny ho faharatsiana amin’ny asa, ho tanterahana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao , ka inoana fa hiainga eo ny ady hevitra hamaritana ny fandaminana ny fiainam-pirenena .

Hisy fampihavanam-pirenena tahaka izao fihaonan’ny Governemanta amin’ny loholona sy ny depiote izao indray ve eto amin’ny firenena ? Ny antony dia saika misolo tena ny antoko maro samy hafa ireo, ka heverina fa afaka amaha ny olana. Dia avy indray ny mpanatsatso hilaza hoe « ianareo mpanao gazety no be filaza ka miteraka korontana etsy sy eroa ». Vavan’ny tsy be fandinihana ireny, saingy aoka ho tsapan’ny maro fa misy raha tsy mazava mety hampipoaka ny vanja anie eto e. Sao lahy ho tratra aoriana isika manoloana ireny ka ho latsa-panenenana. Hazavao manoloana ireto olom-boafidy sy olom-boatendry ireto ny hevitra rehetra hampilamina ny tany, fa tsy adala anie ny vahoaka ka tsy hahalala ny tena marina eto amin’ity firenena ity. Ho hita eo aloha ny akon’ny anio eo amin’ireo mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka ireto fa ny tsy azo lavina dia hiainga eo avokoa ny fandaminana ara-politika rehetra e, koa tsy aleo ve alamina amin’ny sehatra tahaka izao, toy izay hihitatra zavatra hafa ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS