Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Mainty sy fotsy

vendredi 1er juin 2007 |  249 visites  | Naivo kely

Dia ny omaly tsy miova ihany ny ady hevitra tao an-dapa manan-tantara ; dia ny etsy Tsimbazaza izany, ka samy miborosy izay minisitra tiany ny tsirairay, ary izay sendra ratsy fitondran-tena teo anatrehan’ny depiote dia nahazo ny vava tsy ambina hoy ny fiteny. Dia nitanisa ny asa nambara fa vita ny mpikambana ao anaty Governemanta isan’isany, ka moa ve tsy tahaka ireny efa tany mandroso toa an’i Etazonia ireny i Madagasikara amin’izato angolan-teny mamy mitanisa ny asa vitan’ny fanjakana any amin’ny faritra rehetra any. Ny ankilany kosa izay tsy vonona ny hanome fankasitrahana ho an’iretsy mpanan-tanteraka dia mitratrevatreva toy ireny olona tsy misy vidiny ireny no hanaovan’ny depiote sasany azy ireo. Ny mpitehaka sy ny mpihorakoraka toy ny eny an-tsena tsy lazaina intsony, koa moa ve tsy latsaka ambany ny vavan’ny mpirafy nifankatratra amin’ny toerana sarotra. Ny tatitra mandeha, ny tsikera manaraka ihany, izay hita aloha fa misy ny loko mainty sy fotsy tsy azo ampiraisina na hifangaro mihitsy amin’ny fihaonana tahaka izao. Io tokoa angamba no hilazana fa anjaran’ny vahoaka no mitsara amin’ny vanim-potoana tahaka izao, satria samy misy azo raisina avokoa ny fanehoan-kevitra ataon’ny andaniny sy ny ankilany saingy ataovy ao anatin’ny fifanajana mba ho modely tokoa izany hoe « mpitondra fanjakana » izany. Sa izao tokoa no atao hoe miady hevitra ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS