Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Marina tsy filaza

mardi 29 mai 2007 |  486 visites  | Naivo kely

Nanamaloka ny fiainan’ny mpitatitra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny faran’ny herinandro teo no nilazan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana fa ahato amin’ny asany izay fiara miasa eny mihoatra ny 10 taona. Samy nanana ny heviny nanoloana io avokoa ny rehetra, satria ao ny nankasitraka ary tao kosa ny nitsetra vokatry ny tsy fijerena ny tombon-tsoan’ny sarababem-bahoaka. Eto aloha dia tsy mitombina intsony ilay teny mamy tany aloha hoe « tsy haka ny efa manana, fa hampanana ny mbola tsy manana ». Inona ny tetika tian’ny fanjakana hampiarina, satria iza no tsy nahalala ilay tenin’ny PDS teto an-drenivohitra fa hifampiraharaha amin’ny mpamongady fiara avy any ivelany isika ka ahato amin’ny asany avokoa ny 2 CV sy ny 4L rehetra. Tsy nahomby aloha ny tetika satria vao soso-kevitra ihany iny mba hanatsarana ny fitaterana eto. Rehefa tsy hahomby iny, dia io mahazo ny anjarany io indray ny « Taxi agréé » izay hita aloha fa mbola tsara raha mitaha amin’ny fiara hafa ny bikany sy ny tanjany. Nahoana raha tsorina fa « bizina » fiara no tiana hapetraka eto, hoy ny mpitazana dia milamina ny resaka fa tsy hanaovana antsojay tahaka izao ny fiharian’ny hafa ? Firy amin’ny mpitatitra no mba mahazaka mividy fiara vaovao, ankoatry ny mpitondra angaha ? Ny marina hono tsy filaza, kanefa raha ny fihinanana hono no voakitika dia mivezivezy ny fanahy, ka aoka samy hahay hitandrina ny rehetra fa rano tsy nandeha tamin’ny birao iray anie hono no nampihetsika ny mpianatra sy ny vahoaka ka nampiongana ny filoha tamin’ny Repoblika voalohany e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS