Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Mpanjaka ve Diam’s ?

samedi 2 juin 2007 |  362 visites  | Naivo kely

Gaga sy talanjona ny mpandalo teto an-drenivohitra raha nahita ireto fiara mitohana hatrany Antaninandro mipaka hatrany Ivandry, ary tao Behoririka sy Analakely mihazo iny làlana iny tsy ho tenenina, satria maha kirina ny olona. Hay nisy ny fampisehoana nataon’ilay mpanankanto vahiny antsoina hoe Diam’s mampirevy eny amin’i Kianjan’Alarobia alina.

Mahay mihetsika ny mpikarakara matoa vory lanona ny vahoaka, saingy ny mampametra-panontaniana ny maro dia ny hoe mpanjaka ve i Diam’s no tapahana tahaka ireny ny làlana mihazo iny faritra iny ? Tsy zoviana amin’ny rehetra fa betsaka ny olona mody any amin’ireo fokontany manodidina io kianja io, saingy nampandeferina noho io fandalovan’ny mpanankanto vahiny iray io. Maro no tratra hariva noho io hetsika iray io, ary soa aloha fa tsy nandre feo izahay hatramin’ny hanoratanay izao hoe voaendaka noho ny fandehanana tongotra tamin’iny làlana lava be iny. Tsy sanatria fanakiviana ny mpikarakara fa ny fanaovana tsinotsinona ny Malagasy monina eto no tsy laitra. Na ho inona lazan’io mpanankanto io dia aoka tsy ho voa hatrany isika amin’ny fandraisana vahiny. Moa ve ny mpihira izay heverina fa malaza eto an-tanindrazana raha hanao fampisehoana any ivelany, hanampahan’i La-Frantsa ny làlana any aminy ? Tsy hidiranay lalina ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo mpikarakara niaraka tamin’ny vahiny omaly tetsy amin’ny « Hotel Colbert » milaza fa ny ampaha-telon’ny karaman’ny gasy io vidim-pidirana 75.000fmg io, ary 200.000fmg ny famandrihana toerana hafa. Vola izany, saingy na vita aza ny fetin’ny Pantekosta, ary mbola ho avy tsy ho ela ny fetin’ny reny, dia hafa ny gasy mahita vahiny, ka ny any an-tsikinana no atao tsara tsitsy satria ny mpanjaka Diam’s ve no tonga tsy hijery ny tanora Malagasy sy ny lazon-dazony e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS