Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Harena sa « Arena » ?

jeudi 14 juin 2007 |  339 visites 

« Ny fanahy no maha-olona », zava-dehibe loatra teo amin’ireo razantsika ny fikolokoloana ny fanahy. Nomeny toerana lehibe ny fanabeazana ny fanahy tamin’ireo endri-panabeazana natolony ny taranany sy ny fiaraha-monina niainana. « Tain’omby mivadika aza misy tompony », « Tsy ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha », porofom-pahendrena sy maneho ny maha lehibe ny aim-panahy teo amin’ny Ntaolo ireo fomba fitenenana. Izay mbola voarakitry ny fomba amam-pahendrena Malagasy. Mandroso sy mirotoroto ankehitriny ny toe-karena Japoney, tsy noho ny inona izany fa vokatry ny fanasongadinana sy fanabeazam-boho ireo kolon-tsaina Japoney nifandovana taranaka maro.

Harena lehibe eo amin’ny fivoaran’ny fiaraha-monin’ny zanak’olombelona loatra ny fanabeazam-panahy. Alaim-panahy ny tena mijery ny zava-misy ankehitriny, fa toa maro no minia, manambany azy io.

Noravana ny toeram-pialamboly CCL tetsy Antanimena, fa manimba ny tanora, indrindra ireo mpianatra amin’ireo sekoly manodidina. Noravana ny Eglise Universelle « Mon ami », fa nanivaiva sy nandoro « ilay boky nodorana, nefa tsy levona ». Fa manahirana ny saina dia ity ilay toeram-pivavahana teo aloha ity no indro lasa toeram-pandihizana. Moa tsy ho vaka ve ny saina ? Ka hiloa-bava hoe : Harena sa « Arena » ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS