Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Fitaratra manjavona

vendredi 15 juin 2007 |  245 visites  | Naivo kely

Tsy ny sakana eo anoloana no tsy ahafahana miroso amin’ny fampandrosoana, nefa matoa ao ny fingana dia aoka samy handinika sy hieritreritra ny nahatonga iny ny olona lasibatra. Mipoitra avokoa ny olana maro isan-karazany, toy ny naha-may ny Oniversite teny Andrianjato Fianarantsoa. Nolavin’ny loholona ny lalàm-panitsiana ny tetibolam-panjaka 2004, izay tsy mifanaraka amin’ny tokony fandaniana ny vola navoaka tao anaty kitapom-bolam-panjakana, izay mety hiteraka olana eo anivon’ny mpamatsy vola mahazatra ny tahaka izany. Miady an-trano ny samy TIM, ka tonga ao an-tsaina avy hatrany ilay tenin’ny soratra masina hoe, « ny firenena miady an-trano ho rava tsy ho ela ». Miditra amin’ny fandrahonana mpandraharaha vahiny ny filoham-pirenena ka niaraka amin’ny vava dia niverina tamin’ny laoniny io fampiakarana ny vidin-tsolika io. Tsy ho tanisaina eto ny fandroahana mpitondra fivavahana, fa samy mandinika ireny ny rehetra na dia nangatam-panazavana aza ny fiangonana katolika.

Ampaham-piainana nolalovan’ny fiainam-pirenena ireo ka tsy azo lavina. Tsy misy izay tsy mahalala ireo izao tontolo izao, na miezaka aza ny fitondrana mampisongadina ny ambara ho asa vita dia samy mahatsapa ny isam-batan’olona fa hisy fiantraikany goavana eo amin’ny tontolon’ny toekarena eto Madagasikara ireo. Inona no hilazana izany ? Mpandraharaha iza no mbola sahy hampiasa ny volany eto manoloana ny fahitana ireny kabary mampihoron-koditra ny maro toy ny nataon’ny filoha tany Taolagnaro ireny ? Hanaiky lembenana amin’ny famoaham-bola tsy hita fototra ve ny FMI na ny BM ?

Raha raisina indray ny fandorana ny Oniversite tany Fianarantsoa, moa mbola hitombina amin’ny fianarany ve ny ankizy manoloana ireny olana isan-karazany ireny ? Koa na hampianarana any amin’ny Hotely tonga lafatra aza ve, hifantoka amin’izany ny zanak’atidoha ? Mametraka rafitra maty paika ny fanjakana ahafahan’ny rehetra mitaratra ny asa vita saingy fitaratra manjavona aloha hatreto no hitan’ny sarababem-bahoaka, ka hazavao ry mpitondra isan’isany fa ny olona anie tsy mahalala afa-tsy izay hitan’ny masony sy hiadanan’ny taranaka fara amandimbiny e. Koa iza ao amin’ny fitondrana ankoatry ny filoham-pirenena moa no afaka hanazava izany eo anatrehan’ny vahoaka ? Ny antoko mpanohana azy aza ity jereo ireto ataony fa miady an-trano, sy mifamingana andro aman’alina, koa aiza ireo ray aman-dreny to teny hanelenalena hifandaminan-tsika malagasy fa ho ringan’ny ady an-trano eto isika raha tsy mitandrina, ary ny mpamatsy vola hanao ankivy ny tanindrazana, ka izay indroa ahita ny maizina ny taranaka fara aman-dimby, satria ny natsangana tsy mijoro, ary ny efa vita kila hotohoto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS