Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Atsimo sy avaratra

lundi 18 juin 2007 |  194 visites  | Naivo kely

Taitra ny rehetra nandre ny fanazavana nentin’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta ny zoma teo nilaza fa fampisavorovoroana saim-bahoaka ny resaka hala-jaza sy ny fangalarana taovan’olona izay niely be tao ho ao. Ny gasy tokoa mora handairan’ny tsaho, saingy ny tsy azo hodian-tsy hita dia ny fahatratrarana ilay olona saika hiditra tao Toamasina andro vitsy lasa izay ka nahitana taovan’olana tany aminy, ary nivoaka an-gazety mihitsy fa efa nampidirina am-ponja ireo olona valo mpiray tetika nahavita izany. Re matetika ihany koa ny fanondranana zaza antsokosoko mankany ivelany, ary ny eto an-toerana dia maro no nahatratra ireo mpangala-jaza ary nitondra izany teo anatrehan’ny manam-pahefana, dia nampidirin’ny fitsarana am-ponja ihany koa izy ireny. Tsaho daholo ve izany ireny ? Havoaka ny fonja ve ireo olona nambara fa naiditra an-trano maizina voalaza fa nanao ireo heloka ireo ? Toa mifanipaka atsimo sy avaratra ihany ny tena zavatra heno sy ny nambaran’ny lehiben’ny Governemanta, fa ny fanafodiny tsara indrindra dia aleo mailo sao tratrin’ ny aza manody vao fanina eo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS