Dia maty tampoka indray ny masinina mikirakira atontan’isa tany Toamasina ny alahady alina teo, izay nampiteraka resabe toy ny nitranga nandritra ny fifidianana filoham-pirenena ny volana desambra lasa teo. Inona no dikan’iny fahatapahana teo amin’ny masinina iny ? Nifantoka tany ny sain’ny mpanara-baovao maro satria toa niady ihany ny vokatra teo amin’ny samy mpifaninana tany Toamasina voalohany, ka tsy mahagaga raha lasa ratsy ny fisainan’ny mpitazana. Mino anefa isika fa mba ho lafiny ara-teknika marina no niseho, fa tsy sanatria ka niniana natao iny milina maty dia velona tao Toamasina iny, indrindra fa nambara fa raitra avokoa ny fitaovana hampiasaina amin’ity indray mitoraka ity. Sa izao ilay antsoina hoe raitra ?
Maty dia velona ?
mardi 25 septembre 2007 | 554 visites |