Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Teny zato, kabary arivo

Nandresy ny tsy nifidy

lundi 24 septembre 2007 |  308 visites  | Naivo kely

Leo fifidianana ny vahoaka Malagasy, ka tsy rototra intsony amin’ny fanentanana atao azy ireo mba hanefa ny adidiny eto amin’ny tany sy ny firenena. Zara raha nananika ny 25% ny isan’ny olona tonga nifidy omaly tamin’ireo birao fandatsaham-bato nolalovanay rehetra, ary hita fa nangina ny toerana nanaovana izany latsa-bato izany. Niainga tamin’ireny fitsampa-kevi-bahoaka farany ny volana avril ireny, ka na dia nosarotsaromana aza ny isan’ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy, dia porofo mitohoka amin’ny tenda ny omaly fa nandresy ny tsy nifidy. Natao daholo ny fomba rehetra hamoriam-bahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny ireo mpanakanto goavana teto amin’ny tanana, kanefa ny fampisehoana handoavam-bola eny Antsahamanitra sy Antsonjombe indray no mahavory olona noho ny tsy andoavam-bola. Inona no antony ? Ny fanaovana Politika eto mihitsy no mila fandinihana lalina, ka na nihevitra aza isika fa ho maro ny olona handatsa-bato amin’ireo depiote heveriny fa hitondra ny feony eny Tsimbazaza dia ny mifanohitra amin’izany no hita. Koa samia miheritreritra fa tsy adala intsony anie ny vahoaka ka atao tohatra fiakarana ho an’ny sasany lava izao, ka rehefa tonga amin’ilay toerana dia ny hameno paosy toy ny hita teny Tsimbazaza farany ireny no ataon-dry zalahy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS