Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 20h42
 

Teny zato, kabary arivo

Palitao hiova loko

samedi 4 août 2007 |  169 visites  | Naivo kely

Tao aorian’ny hamoram-po nandraisan’ny filoham-pirenena ny mpanohitra tany Toamasina farany teo iny, dia azo antoka fa hisy fiantraikany betsaka eo imason’ny mponina any an-toerana ny toy ireny. Antony tsy azo lavina ny hisainan’ny rehetra, fa aleo manohana an-dRavomanana, sao tsy handroso ny faritra misy antsika izay hita fa potika tokoa tao ho ao. Ireo tsy manaiky ny tambitamby dia hanome lesona ny mpiara-monina aminy hilaza fa raha tsy hanaiky ny sitrapon’ny fanjakana ve izany dia tsy afaka hiasa ny faritra indrindra fa efa miainga eny anivon’ny fokonolona ny fampandrosoana ? Ny olona tsy azo akisoka amin’ny heviny dia mbola maro, ary ireny no hanaparitaka ny fomba fijeriny ny fiainam-pirenena. Ny mampalahelo anefa, dia izay faritra be mokon-doha tsy mifanitsy amin’ny fomba fisainan’ny mpitondra dia tsy hampiana, sa ilay fifanajana mihitsy no ilaina hipetraka eo amin’ny rehetra mba tsy hifamingavinga ? Any am-ponja io ingahy Roland Ratsiraka, miraviravy ny asa atao any Toamasina, koa moa ve tsy ho azo antoka ho maro ny Palitao hiova loko atsy ho atsy, indrindra fa antomotra ny fifidianana ? Ny tsapa aloha dia tsy marivo salosana amin’ny heviny ny Gasy ka rehefa hitany fa tsara dia tohanany, ary raha ratsy, dia efa mitanty ny vokany no atao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS