Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 20h42
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy tafita ny hafatra

jeudi 2 août 2007 |  175 visites  | Naivo kely

Nahakivy ny rehetra ihany ny nahita ny fanomanana ilay « festival Mazavaloha » natao tany amin’ny faritry Tsiroanomandidy farany teo, satria toa ratsy karakara ny fety. Ny 26 ka hatramin’ny 29 Jolay teo no nanomboka ny lanonana nefa nahitana olana hatrany. Teo aloha ny tolon’omby izay nandratràna olona roa ka nipotsaka mihitsy ny tsinain’iray voatrobaky ny tandrok’omby, ary nampiakarina aty an-drenivohitra mihitsy.

Ny lalao baolina kitra sy ny baskety dia tsy nisy famaranana noho ny olana teo amin’ny mpijery ka dia notazanim-potsiny ny amboara. Ireo olom-panjakana maro nandray fitenenana dia toa nisy nanakora, saingy nahafaly ny maro indray ny fandrenesana fa atao isan-taona ity revy momba ny omby any Tsiroanomandidy ity.

Raha akapoka iray ny fety, dia toa tsy tafita ny hafatra, mino nefa ny maro fa amin’ny herintaona dia hahay handrindra lalao toy ny natao farany teo ny faritra ka mba ho mendrika mandray lanonana ny any ambanivolo rehetra any.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS