Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 21h34
 

Teny zato, kabary arivo

Nikotrika fa lamokany

mardi 7 août 2007 |  151 visites  | Naivo kely

Na dia mitohy aza ny tolon’ny CRTIM, dia hita fa reraka ary atahorana ho anaran-tsy very sisa any aoriana. Ilay anarana « Tiako I Madakasikara » nireharehana tany aloha, zary niofo ho « Tanindrazantsika I Madagasikara ». Tsy azo avela ilay anarana hoe TIM fa ny fomba hitondrana azy no samy hafa. Dia mihevitra ve ireto TIM naniha ireto fa mbola ao aorian’ny filoha mpanorina dia i Marc Ravalomanana izy ireo. Inona no hery ahafahan’izany ondry very izany mba hampiaka-danja azy ireo eo anatrehan’ny fiaraha-monina mpiara-miombon’antoka taminy teo aloha ?

Ny hita sy tsapa, dia ireo loholona sy depiote maro tany ampanombohana no fantatra fa niverina ny vala, ka eo ambany ziogan’ingahy Razoharimihaja amin’izao fotoana, ka nifona fa diso làlana. Manantena ihany koa izy ireny fa mbola atolotry ny antoko TIM amin’ny fifidianana izao. Raha ity CRTIM ity aloha no jerena amin’ny saina tsy miangatra, dia nikotrika fa lamokany izy ireo, ka na ilay birao mpintantana aza toa tefy maika, mba tsy hilaza fa miala aina izany antoko nisitaka izany. Ny mahafinaritra fotsiny, dia ny mbola filazana fa tsy mpanohitra fa aorian’ny filoha Ravalomanana hatrany, ary vonona ny hifanome tanana aimny izy ireo, saingy notsinihavin-dry zalahy ny filazana fa misy sivana ao amin’io antoko goavana miala aina io, ka aleo miainga any ifotony ny fijerena ny olona harotsaka ho fidiana. Dia ady ny samy TIM indray izany no hita manomboka eto, ka ahoana ny herin’ny mpanohitra amin’ny mety ho fanararaotana izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS