Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 21h34
 

Teny zato, kabary arivo

Mazava dia maizina

vendredi 3 août 2007 |  179 visites  | Naivo kely

Gina tsy nahitan-teny firy ny mponina ao Toliara raha nahita fa andro vitsivitsy izay, dia niverina indray ny delestazy ao Toliara, ka toy ny sosoa voatapo-drano ihany ny vahoaka raha nandre, fa tonga ny fitaovana vaovao hanome hazana ny tanàna izay mahatratra 4,5 MGW kanefa dia io hiarahana mahita io ny fahavoazana.

Tsy fantatra intsony izay antony nahatonga ny fahavoazana, fa raha ny heno teo aloha kely teo, dia ny fanambarana fa ilaina ny hisian’ny gropy fiandry entina hanazavana ny tanàna raha sanatria tojo ny toy izao. Raha tonga teto ireo fitaovana nafarana tany ivelany, moa ve nisy fanaraha-maso ireo fitaovana tonga sa avy hatrany dia nampiasaina mba hanalana haingana ny haizina isaky ny faritra ? Misy ihany koa ve ny antoka nomen’ny orin’asa nivarotra ireo fitaovana sa tsia. Ndrao mantsy ka sao dia fitaovana efa fanary no naondrana aty Madagasikara. Efa eo am-panarenana ny simba ny JIRAMA araka ny heno, kanefa ahiana ihany ny hiverenan’ny korontana any amin’ny faritra noho ny fiheverany fa atao tandra-metaka ny ain-dehiben’ ny mponina ka miteraka faty antoka lava izao. Mazava dia maizina izany ny tanàna, kanefa mino isika fa ahatsapa ny rehetra fa eo an-dalam-panarenana ka hiravona tsy ho ela ny delestazy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS