Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h04
 

Teny zato, kabary arivo

Lany vola tsy fidiny

lundi 6 août 2007 |  126 visites  | Naivo kely

Andro vitsy sisa hisaina dia hikatona tanteraka ny fametrahana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo olona te-hiazakazaka ho etsy Tsimbazaza. Samy mivonona ny handrombaka ny amboara be indrindra ny antoko sy ny olon-tsotra izay handeha amin’ny anaran’ny tenany manokana, ka eo no mety hampilatsaka ny isan’ny mpandray anjara.

Miroaroa saina ny ankamaroan’ny ao anatin’ny antoko goavana eto amintsika, satria hiainga ny sivana hatao amin’ireo olona heverina fa manam-piniavana hirotsaka ho depiote. Raisina ohatra amin’io ny TIM, ka ny faha-25 aogositra izao no hanaovana ny kongresy nasionalin’ity antoko ity, ka eo no ahitana izay olona mendrika ny hitondra izany anaram-boninahitra fidiana ho depiote izany. Ny daty fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana anefa dia ny 14 aogositra no farany. Eo no mampisavorovoro ny sain’ny mpikambana satria efa manana ny anarana napetrany amin’io daty io ny TIM ka maro no tsy mahalala na any ny anarany na tsia ? Dia be ny ho lany vola tsy fidiny, satria tsy maintsy hirotsaka amin’ny anaran’ny tenany aloha ry zalahy mba hipetrahan’ny taratasy ara-dalàna fa kandidà izy. Ny antoko hafa ihany koa dia maro no andeha amin’ny anaran’ny antoko, fa tsy miandry izay ho kandidà iraisan’ny mpanohitra izany, noho ny fahatsapany fa olona tsongon’olom-bolo eo amin’ny faritra misy azy izy. Dia hafàna indray izany ny fifidianana, ka anjaran’ny vahoaka no mijery tsara izay olona tena hitondra ny feony fa tsy sanatria ho « matin-kanin-kely tahaka ny trondro ka ny kankana no idirana ambilany ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS