Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 20h15
 

Teny zato, kabary arivo

Enjehina i Jodasy

mercredi 25 juillet 2007 |  156 visites  | Naivo kely

Rava omaly ny antenimieram-pirenena izay andry mpanao lalàna eto amintsika, ary tsy miandry ilay fanampahan-kevitry ny filohan’ny repoblika milaza fa rahampitso alakamisy ny fandravàna fa dia efa raikitra ny raoka alika araka ny fomba fiteny mahazatra. Voasava hatrany anaty izay tsy fantatra ny olona miditra ao amin’ity lapa ity, ary ny tena mampalahelo dia ireo depiote izay voaroaka aza voasava avokoa na dia mbola mahazo mipetraka amin’ny tranony mandritra ny fotoana fohy aza. Gidragidra tsy misy toy izao hoy ny mpitazana, ary izay tsara toerana nanao asa soa no mbola hiverina ao an-dapa. Ny zavatra hita sy tsapa omaly dia maro ny depiote very fihinanana, ka hitady asa vaovao ? Niforona ny mpanohitra vaovao, ary nanambara fa ho rava tsy ho ela ny fanjakana miady an-trano. Tsy hita lohany sy vodiny ny raharaha fa mampahatsiaro ny zava-nitranga arivo taona lasa izay, izay namadihan’i apostoly iray an’i Kristy. Fototry ny fahaverezana io olona io ankehitriny, koa aoka tsy ho gaga raha misy Jodasy enjehiny ho mpamarina an-kady eto amintsika, izay tsy iza io fa olona akaikin’ny fitondrana ihany. Aoka tsy ho gaga raha misy andrim-panjakana ho rava tsy ho ela koa ato ho ato.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS