Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 06h31
 

Teny zato, kabary arivo

Hody fa tsy tamana

vendredi 12 octobre 2007 |  1946 visites  | Naivo kely

Nizotra ampilaminana ny fiverenan’i Rossy teto antanindrazana, na dia maro aza no nanana ahiahy ny mety hiseho tamin’iny fasahiana niverina teto Madagasikara farany teo. Nahatsiaro ny tenany ho tsy nisy heloka vitany tamin’ny mpiray tanindrazana sy ny fireneny ny lehilahy, ary matoa tsy nanelingelina azy ny fanjakana, dia hita fa olona tsy meloka izy. Ireo Malagasy tany ivelany kosa taorian’iny, dia heno fa maro no manoratra amin’ny fianakaviany eto mba te-hody ampilaminana toan’i Rossy ry zareo. Misy amin’ireo nanao sesin-tany ny tenany no efa miasa sy mianatra any, kanefa tsy vitsy koa no tsy mahita atao, ka sahirana eo amin’ny lafin’ny fivelomanana. « Hody fa tsy tamana izahay » hoy ny ireo havana any ivelany, saingy arakaraky ny fihetsika farany nataonao alohan’ny nivoahana an’i Madagasikara ihany angamba no hampilamina na tsia ny fodiana eto. Sa efa nisy ny famotsoran-keloka faobe natao ho an’ireto mpitolona politika ireto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS