Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 08h34
 

Teny zato, kabary arivo

Loza mitatao

samedi 29 septembre 2007 |  788 visites  | Naivo kely

Hipetraka ho tantara tsy azo kasihina na sarotsaronana intsony ny fahavitsian’ny mpifidy ny alahady teo, ary mbola sarotra ihany koa ny hinia hanadino na tsy hanoratra ny zavatra tahaka ireny.

An’iza ny tsiny ? Fanontaniana zary hifanolanan’ny rehetra io amin’izao, ka ao ny manararaotra fa vokatry ny fihetsika ataon’ny mpitondra izay manararaom-pahefana mangoron-karena no mankaleo ny vahoaka, ary ny ankilany anefa dia sahy manome tsiny fa ny fanoherana be fahatany ataon’ny mpanohitra no mankaleo ny Malagasy. Hevitra hita mitsiry etsy sy eroa ireo, ka na ho toa inona no vokatra hiseho eny Tsimbazaza aorian’ny didy farany avoakan’ny HCC dia depiote hisolo vava ny vahoaka isam-paritra ireo, ary hanana ny fahefana napetraky ny lalàna azy avy. Ny tsy azo lavina dia toa loza mitatao ho an’ny rehetra ny fandrenesana izany olom-boafidy na olom-boatendry izany. Jereo sahady ny fanamparam-pahefana nataon’ny sefom-pokontany sasany tamin’iny fifidianana iny. Ny lehiben’ny faritra manery mpiasam-panjakana hifidy kandida, ary tsy vitsy no namosaka ny heviny ireo mpiasa ireo fa tsy maintsy atao izao satria matahotra ny hafindra toerana ? Koa ho gaga ve isika raha malaina ny olona nandeha nandatsa-bato ? Ny olona nofidinao anio izay ahazo fahefana no hamoritra anao ampitso. Miray hina ny gasy fa tsy mizarazara, porofo mitohaka amin’ny tenda ny firaisan-kina toy ny tamin’ny lalaon’ny nosy ireny, ary io ataony amin’ny « Makis de Madagasikara », izay antsoina andro sy alina dia tonga, saingy rehefa nantsoina handatsa-bato, dia nifitsaka ny rehetra. Ka iza no omen-tsiny ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS