Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h11
 

Teny zato, kabary arivo

Sinoda FJKM : hipoitra ny marina

samedi 1er décembre 2007 |  1436 visites  | Naivo kely

Potika tampoka ny rakin-tsoratra mitahiry ny kaontim-pitantanana tao amin’ny sinodam-paritanin’Antananarivo eo anivon’ny FJKM raha vao nanambara ny mpitantana vaovao fa ilaina ny fanaovana fanadihadiana eo amin’ny resaka ara-bola eo amin’ity sehatra iray. Tsy manaiky ny isehoan’ny marina ny mpitondra teo aloha, ka mitady ny hirika rehetra hamotehana ilay nandresy azy teo amin’ny fifidianana izay birao hisahana indray ity sinoda ity, ka tafiditra hatrany amin’ny resaka politika ny raharaha, hatramin’izao isika miteny izao. Voalaza fa misy ny fingana atao amin’ny birao ankehitriny, kanefa tsy hihemotra amin’ny fanadiovana izay ataony ny birao vaovao. Misintona ny sain’ny birao foibe eo anivon’ny FJKM ireto nandimby toerana mba hijery akaiky io toe-javatra io satria tsy fanafenan-keloka ny raharaham-piangonana tahaka izao. « Hianareo hangina fa izaho hiady ho anareo », hoy ny mpanao Salamo 39.9. Miandry ny mety ho tohin’izao raharaha izao ny rehetra, satria tsy hanaiky ny hangina fotsiny koa ireo mpitantana teo aloha fa hiaro ny rambony tsy ho tapaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS