Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 21h12
 

Teny zato, kabary arivo

Lapa vaovao

lundi 19 novembre 2007 |  2481 visites  | Naivo kely

Valo volana monja dia ho vita ny lapa vaovao etsy Ambohitsorohitra izay hisy rihana telo ho fanampin’ny toeram-piasan’ny filoha no antony nananganana ity lapa ity. Vola Ar.1,800 tapitrisa no enti-manatontosa ity asa ity, izay voalaza fa vola tafiditra ao anatin’ny teti-bolan’ny fiadidiana ny Repoblika no hanaovana izany. Nambaran’ny filoha Ravalomanana fa io vola io dia saika hanatsarana ny trano ao Ambohitsorohitra, kanefa dia navadika ho asa mivaingana tahaka izao. Ho azo antoka izany fa hisy lapa vaovao hijoro eto raha avadika hanaovan-trano ny ho entina mikojakoja ireny tranom-panjakana ireny raha raisina ara-baki-teny io nambaran’ny filoha io. Fa ankilan’izay kosa dia mba manao ahoana ny fanorenana trano ho an’ny mpiasa madinika, izay tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany no tena nahitana izany ? Misy ihany ny trano izay nahorin’ny fanjakana, saingy lafo ny vidiny, na olona voafantina mpiray antoko no mahazo azy ireny. Io trano fonenana io no tena mampijaly ny maro amin’izao, saingy mbola i mompera Pedro irery ihany aloha hatreto no afaka nanorina ho an’ny tena sahirana, ka nahavovonjy ireo efa saika namoy fo. Hijoro tsy ho ela ny lapa vaovao, fa mba rahoviana ny an’ny vahoaka madinika izay miady lava amin’ny fidangan’ny hofa-trano isam-bolana ?

Mino isika fa tsy ho diso anjara amin’izao fananganan’ny fanjakana ny « rindrina » io tetik’asa io, ka mety ho azo atao tsara ilay nambaran’ny hafa tany aloha momba ny « 35 000 logements » isan-taona rehefa eo amin’ny tsirairay ny finiavana hanao zavatra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS