Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 21h12
 

Teny zato, kabary arivo

Hianatra asa

samedi 8 décembre 2007 |  491 visites  | Naivo kely

Asa maro no nambaran’ny kandida mpilatsaka eto an-dRenivohitra fa ho atao raha vao lany izy, ary izay koa ny ilain’ny vahoaka. Asa goavana hoy ry zalahy no atao, ary efa vonona ny vola ho enti-manana izany. Dia lasa ny saina hoe avy aiza io vola io, ary mba azo hampafantarina ny vahoaka ve iza ireo mpiara-miombon’antoka mba tsy aha-tompon-trano mihono ny mponina ? Sa ny tetibolan’ny kaominina ihany no hampiasaina amin’ireo asa ho atao ?
Ny tsapa aloha dia mpandraharaha maro no efa nisintaka tamin’ny kandida iray teto an-dRenivohitra, satria toa resa-be fotsiny no hanjonoana ny vaton’ny mpifidy, indraindray aza toa lasa nofy ririnina no mby mivoaka ny vava mba handresena lahatra ny vahoaka. Ny faritra iva aza mitaraina sahady fa toa toerana natao fakana sary fotsiny izahay, fa toa mbola misavoana raha ny fanalàna anay ao anatin’izao fahavoazana izao.

Ny toeran’ny ben’ny tanàna, hoy ny mpitazana, tsy fianarana asa fa tonga dia vavany, ary hitsara isika vahoaka, ka ny vato iray alatsakao ny alarobia izao no hampandroso na hampihemotra ny asa efa natomboka teto hatramin’izay. Enina no kandida hifaninana eto, fa iray no handray ny faneva, ary mirary soa izay ho tafita isika, satria asa tsy ho mora no miandry izay tafakatra eo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS