Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h46
 

Teny zato, kabary arivo

Kandidan’ny mpanohitra i TGV ?

samedi 24 novembre 2007 |  1158 visites  | Naivo kely

Raha vao nanomboka nanambara ny fahavononany hilatsaka ho fidiana ho ben’ny tanàna i Andry Rajoelina « TGV » dia efa tsikaritra nisy olona avy amin’ny antoko hafa ivelan’ny fitondrana nanotrona azy teny amin’ny Carlton tamin’io fotoana io. Tsy olana izany, satria tsy nanilika fikambanana na antoko politika ny lehilahy, fa vonona kosa hiara-hiasa amin’ireo izay te-hiara-dia aminy. Tsy hidirana lalina ny laha-teny nataon’i Andry TGV tamin’io, fa ny tsapa aloha, dia ao aorian’ity kandida ity avokoa ny ankamaroan’ny antoko mpanohitra rehetra. Na dia nanambara aza ny fikambanan’ny mpanohitra eto fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana noho ireo fitakiana tsy nasiam-baliny toy ny fanaovana fihaonana an-databatra boribory mba handinihana miaraka ny fanomanana ny fifidianana, dia misy kosa amin’izao ny toro-marika omen’izy ireo amin’ny hanohanana ity kandida ity. Safidy samy manana ny azy io, ary mitady toko sendra vato izany ingahy TGV, saingy hanome hery azy io ve sa hanapotika azy ? Kandidan’ny mpanohitra marina ve izy sa soavalian’ny mpanohitra ? Ny mpanohitra izay toa tsy manana olo-manga mety hiantefan’ny fon’ny mpanohitra intsony amin’ny fifidianana tahaka izao, ary ny ho enti-manana ihany koa zara misy, ka izay angaha no mahatonga ny sasany hitaona ny olona tsy hanary ny zony indray, na dia efa nafokaina aza ity fifidianana manaraka ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS