Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 20h15
 

Teny zato, kabary arivo

Hazo avo halan-drivotra

mardi 4 décembre 2007 |  768 visites  | Naivo kely

Ny fanasoavana ny mpiray tanindrazana sy ny firenena tsy maintsy misy mitsivalam-pandry, kanefa tsy izany no tsy hanohizana ny asa. Io no nambaran’ny ben’ny tanàna teo aloha izay minisitra amin’izao fotoana, Patrick Ramiaramanana manoloana ny fanenjehan’ny sasany ny asa natomboka teto an-drenivohitra niainga tany amin’ny filoha Ravalomanana sy ny tenany Patrick Ramiaramanana ary io nodimbiasan’i zandry Hery Rafalimanana io. Aoka tsy ho ataon’ny sasany sorona politika ny tanàna, ary izay no hiantsoan’ity ben’ny tanàna teo aloha teto an-drenivohitra ity ireo foko samy hafa monina eto, ny finoana sy ny vahoaka iray manontolo mba tsy hifandao amin’ny PDS izay kandida ankehitriny satria izy no afaka hanohy ny asa efa napetraka. Ny hazo avo halan-drivotra, kanefa tsy ireny no hanakana ny fandrosoana. Tsy izay rehetra milaza fa ahavita no omena ny safidy, fa ireo efa nametraka ny asa-tanana nampihaiky volana ny Malagasy sy ny vahiny mpandalo. Koa antso no nataon-dRamiaramanana Patrick ny hifanohanana amin’i Hery Rafalimanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS