Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Fifanarahana miafina

samedi 8 mars 2008 |  1011 visites  | Naivo kely

Taitra tamin’ny torimasony ingahy Ratsiraka ka ny zaza nobeaziny no voakapoka. Fa inona no heloka vitan’ireto sahy mitsikera ny fianam-pirenena ankehitriny no ireo manaiky lembenana indray no nomeny rariny ? Gaga tamin’iny fihetsiky ny amiraly Ratsiraka iny ny maro, nandre ny filazany ny tsy fahafantarany an’i Pierre Houlder sy ny namany izay nikasa hanao ilay kongresy rahampitso eto Antananarivo. Fa angaha tsy mpanohitra ity antoko ity no dia nasiaka fatratra ny amiraly ? Sa lasa Arema matotra ? Ity fitondrana ity no nampandositra ny kapitenin-tsambo any ivelany, ary mbola tsy sahy miverina an-tanindrazana hatramin’izao. Io no hanaovan’ireto Arema sahy mijoro manankiana tsikera, nefa dia ireny no ren’ny sofin’ny maro.

Nahoana raha ny fiainam-pirenena ankehitriny no nokianina fa tsy ny olana ao anatin’ny antoko naorin’ny tena. Mahalasa saina ihany raha i Moïse Rakotosihanaka sy i Ange Andrianarisoa nimpirina tany amin’ny nisy azy no lasa olo-mahatoky ny amiraly. Sao kosa ary misy fifanarahana miafina mipetraka eo amin’ny mpitondra sy ireto farany, ka aleo mangina na manao toy ny ataon-dry Raharijaona Pierre sy ny tariny ? Tsy mahagaga raha mahazo vahana amin’ny sehatra rehetra ny mpitondra satria ireo izay natao mba hitsikera aza izao no ataon’izy mianakavy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS