Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Valalan’Amboa

vendredi 23 mai 2008 |  734 visites  | Naivo kely

Mitobaka ny entana vita vahiny, ahiana ho faty ny orinasa Malagasy. Mora sady mahafa-po ny maro ireny entana vita avy any ivelany ireny, isan’izany ny Fripérie, ny savony, ny kojakojan-tokantrano samy hafa. Ny
kiraro sy haingo isan-karazany, dia saika mitsongoloka avokoa na ny manana na ny sahirana. Toa vitsy sisa raha ny eto an-tanan-dehibe no ahitana ireny
mivoro-kitsay ireny, satria tsy te-hivoatra angaha. Miainga amin’ny Ar 200 dia efa mahazo somizo tsara, ary Ar 5000 dia mikiraro tsy simba ao anatin’ny iray taona. Faly ny gasy, satria mahazo izay takatry ny volany izy. Ankilany anefa dia hita fa mitsipozipozy
tanteraka ny orinasa Malagasy mpanao lamba na
kiraro na ihany koa ireo entana ilain’ny mponina andavan’andro toy ny savony, sy fitaovana fanadiovana nify ohatra. Lafo ny entana vita gasy raha mitaha amin’ny vita avy any ivelany. Manomboka mikatona ireo tsy maharaka ny fifaninanana. Mpiasa maro no very asa, ary tsy ho gaga isika raha maro no roboka amin’ny fivarotana kely eny amoron-dàlana.

Ny fitondrana dia efa nilaza fa mila mihetsika isika satria tafiditra ao anatin’ny sehatry ny fifaninana. Ho hitan’ny havany eo izay tsy tafavoaka hoy ny filoha Ravalomanana izay raha nitokana ny foara FIM tetsy Andranomena izy. Inona no fepetra hiarovana ny mpandraharaha Malagasy ? Ny vahiny anefa dia hita fa roboka tanteraka amin’ireny zava-bita Malagasy ireny, raha tsy hiteny afa-tsy ny taozavatra toy ny sary sikotra. Aoka tsy ho atao valalan’amboa ka isika tompony indray no tsy tia. Sahia mijoro ho saropiaro amin’ny any tena e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS