Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Atambaro izay tokony hiaraka

lundi 19 mai 2008 |  468 visites  | Naivo kely

Tsy ny olona no tsy ampy fa ny mpitondra no mahafehy izay andraikitra ankinina aminy. Toa izao hitarafana ny andraikitra sahanin’ny ministra eto amintsika ireo. Hita izao fa olom-panjakana iray misahana toerana maro toa nyPraiminisitra lehiben’ny Governemanta. Toy izany koa ny ministry ny fahasalamana izay misahana ministera roa raha toa ka natambatra iray ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina ary ny fialam-boly. Fitsitsiana avokoa izany hoy ny mpitazana, satria raha ho vitan’ny iray ve nahoana no zaraina amin’ny hafa indray ny seza.

Hitazana ny fomba fiasan’izy ireo ny rehetra, satria ny fanontaniana voalohany dia ny hoe ho zakan’izy ireo ve ny andraikitra izay nomena ho sahaniny ? Manao ahoana ny ministera izay tantanany ankehitriny, mandeha ve sa tsia ? Nomena andraikitra hafa indray anefa izy io, izay goavana fa tsy kely izany fanatanjahan-tena sy kolontsaina izany.

Atambaro izay tokony hitambatra, hoy ny mpitazana, nefa nahoana no izao vao natao raha ho fantatra fa ho vitan’ity olona ity avokoa ny rehetra ? Ny tsapa dia misy asa tsy azo omena olon-kafa toy ny hita teo aloha, izay sady depiote no mbola mitana andraikitra goavana tao amin’ny Port Toamasina. Misy andraikitra takian’ny filoha amin’ny rehetra ka izay angaha hoy ny maro no mahatonga fanovàna mpiara-miasa aminy matetika ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS