Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Mivadika taranja

vendredi 9 mai 2008 |  771 visites  | Naivo kely

Tsy misy mangirana ka dia mivadika taranja ny maro. Sehatry ny baolina kitra io. Tsy sahy manao lalao ara-pirahalahiana amintsika intsony ireo firenena maro manodidina antsika, satria matahotra ny ho sazian’ny FIFA ihany koa ry zareo.

Ireo mpilalao eto an-toerana dia manomboka malaina amin’ny fanazaran-tena ataony, ka lasa miova any amin’ny sehatra hafa izy ireo. Maro ny fanatanjahantena azo atao, ka izahay ve ho lany zara ato amin’ny baolina kitra, hoy ny sasany. Hatreto dia miandry ny tohin’ny raharaha tamin’iny fandravana ny federasiona iny ny rehetra, sao mba misy famindram-po avy any amin’ny FIFA. Ny ministera mpiahy dia io iarahana mahita io fa nahaton’ny fanjakana, ka tsy mbola fantatra ny mety handray indray ny fahefana ao. Lasa sorona tsy fidiny ny fanatanjahan-tena rehetra, ary tafiditra ao anatin’io ny kolontsaina sy ny fialam-boly. Nahoana raha mipetraka amin’ny fanjakana toy izao ny tahotra ny FIFA raha tsy noraisina ireny fanampahan-kevitra nandravàna ny federasiona ireny ? Azo antoka fa tsy ho fanapahan-kevitry ny minisitra samy irery ireny, fa nisy ny mpanome baiko hafa. Sa diso izany ? Ho azo antoka ve ny mety ahitan’ny baolina kitra mangirana atsy ho atsy, satria ny handaminana anatiny io taranja iray io no nandravàna ny federasiona, nefa rava hatramin’ny ministera ity ? Ny baolina boribory ka ho hita eo ny fivadiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS