Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Lany andro manarina

mercredi 14 mai 2008 |  526 visites  | Naivo kely

Aoka izay ny fanapotehana, fa ho sasatry ny miarina ny firenena raha izay no manjaka eto amintsika. Mifantoka amin’ireo asa fanarenana maro atao eto ny saina. Isan’io ny Rovan’ny Manjakamiadana, izay antenaina fa ho vita amin’ny taona ho avy iny. Toy izany koa ny fanarenana amin’ny laoniny ny lapan’ny tanàna etsy Analakely.

Vakoka Malagasy tsy azo apetraka ho nofy ireo asiana fanarenana ireo. Hetraketraky ny Malagasy iray rà amintsika no naha-potika hotohoto azy ireo. Tsy voarenina ao anatin’ny fotoana fohy anefa fa aman-taonany maro vao ho vita. Samy nisento ny maro raha nandre fa misy ny finiavana hamerina amin’ny laoniny ireny fananam-pirenena ireny, ary io efa hiaraha-mahita io ny fizotry ny asa etsy amin’ny Rova.

Hambom-po diso toerana kely dia efa maharava fananam-pirenena maro. Isan’io ny fahalatsahan’ny toe-karena isaky ny misy grevy eto amintsika. Firy ny fananam-bahoaka potika, ary ny tena mafy dia ireny vakoka manan-tantara ireny no tena lasibatra. Odian-tsy hita ve ny nahazo ny trano fianarana lehibe iray tao Fianarantsoa, taona vitsy lasa izay ? Firy taona indray vao hisy ny fanarenana ireny, ary iza no ho voa manoloana izany ? Ho lany andro manarina eto isika mianakavy raha tsy mahafehy tena kely fotsiny. Miainga any amin’ny fanarenana ny toe-tsaina, ary mipaka any amin’ny tanjona ho fanovana ny tanindrazana, izay hirosoana amin’ny tsara hatrany. Ho tetikasa vaovao hatrany no hajoro fa tsy ho sanatria hanarina ny fanimbana nataon’ny sasany no andaniana ny fotoam-piasana ho an’ireo nametrahana andraikitra eo amin’ny fitantanana ny fianam-pirenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS