Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Asehoy ho fanta-bahoaka

vendredi 16 mai 2008 |  635 visites  | Naivo kely

200 ny Malagasy voan’ny SIDA hoy ny haino aman-jery iray teto amintsika ny alarobia maraina teo. Fanazavana azo nandritra ny hetsika nokarakarain’ny ministeran’ny fahasalamana tetsy Befelatanana ny alatsinainy hariva teo no nandrenesana izany. Azo adika fa efa zava-doza mananontanona ny fiainantsika Malagasy ny toy izany.

Tsy ahilikilika ny voan’ity areti-mandoza ity, hoy ny dokam-barotra etsy sy eroa. Marina izany satria olom-belona tahaka antsika izy ireny, ary azo sosoana hoe tsy fidiny azy ireo ny hitondra ity aretina ity, ankoatry ireo nilingilingy tany ambadika tany angaha. Ny ratsy hono tsy misy tandroka, ary tsara raha aseho ho fanta-bahoaka tahaka ireny olona boka na marary voan’ny homamiadana ireny izy ireo. Mora hitandreman’ny hafa ny anton’io. Teny tsy hay kosehina ao andohan’ny maro ilay fomba fiteny hoe raha ho faty aho, dia matesa rahavako. Tsara ny mitandro ny maha-olona ny hafa, nefa tsara lavitra noho izany ny mifehy ity aretina ity tsy hiparitaka amin’ny mpiray tanindrazana.

Hatreto aloha dia ny tsy fahaizana mifehy tena no anton’ny hiparitahan’ny tsimok’aretina haingana indrindra. Sa fahafinaretana aloha vao mandinika ny mety ho vokany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS