Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 11h07
 

Teny zato, kabary arivo

Mamono antoka ny omby masiaka

mercredi 23 juillet 2008 | Naivo kely

Tsy lasa intsony e. Na dia nokolokoloina nomena ny vilona isan-karazany aza ny omby masiaka avy eto Madagasikara, dia tsy nahatrongy intsony. Io no andeha entina hilazana ny vokatry ny lalao ataon’ny Barean’i Madagasikara atsy Afrika atsimo.

Tsy mety mandresy, fa na resy, na manao ady sahala. Ny mpilalao mihitsy ve no tsy mahomby sa ny mpanazatra no tsy alehany ? Natao daholo ny tetika isan-karazany, niainga tamin’ny fandravana ny federasiona, ka nampihatoana antsika nandritra ny volana vitsy teo amin’ny taranja baolina kitra. Inona no teo, fa resy hatrany isika, ary nampihetry ny baolina kitra Malagasy ny vokatra tao ho ao. Tsy mety tafarina toy ny fari-piainan’ny Malagasy izy ity, na dia maro aza ny fanafody noheverina hitsaboana ny fery. Inona moa no fahotana raha napetraka ilay tetika nataon’ny ministra teo aloha izay nosoloina nilaza fa aleo hiainga any ifotony mihitsy ny fanatsarana ity baolina kitra ity ? Fepetra tokony hotohizana io, fa tsy sanatria tsy manana olona mahay baolina kitra afa-tsy ireo hita lava mandrafitra ny Barean’i Madagasikara ireo isika. Asio ny fifaninanana isaky ny faritra 22 ahitana izay tena mahay. Avereno ny kitra isam-pokontany, ary omeo ny fanampiana sahaza azy ireo ankizy ireo. Ho azo antoka afaka roa taona na telo taona fa hipoitra ny tena mpilalao mahay, afaka hanandratra ny voninahi-pirenena. Raha tsy hoe hanjakan’ny kiantrano indray angaha itony ankizy ho avin’ny firenena itony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS