Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 14h48
 

Teny zato, kabary arivo

Maty vao ramalala

lundi 28 juillet 2008 | Naivo kely

Nifampitsetsetra avokoa ny mpanao politika rehetra. Io no hita tamin’ny nahafatesan’ingahy Herizo Razafimahaleo. Ny mpanao politika nitovy hevitra taminy tao amin’ny mpanohira, dia tsy olana ny fomba falazany momba ny asa nataony. Ny nanaitra, dia ireo tsy nitovy fomba fijery taminy aza dia nanambara fa olona tokony nomena sehatra goavana teo amin’ny raharaham-pirenena izy. Manana ny fahaiza-manaony ity lehilahy ity hoy ireo. Tokony noraisina ihany koa ny hevitra natolony, fa tsy natao anjorom-bala. Gaga ny rehetra nandre izany, fa hay naharesy lahatra ireto olona eo amin’ny fitondrana ireto ny hevitra naposany e ? Nahoana anefa no tsy noraisina, na ihany koa, mba nomena sehatra tamin’ny haino aman-jerim-panjakana izy ireo ? Maty vao ramalala hatrany no zava-misy eto. Tsy izay tsy mitovy hevitra anie, ka hambara ho olona ratsy avokoa e. Izay no ilaina hifanajana na ho an’ny hery rehetra, fa tsy sanatria efa lasa vao dokafana.

Mandroso ny taona eoamin’ny mpanao politika zoky olona. Mandroso tahaka izany koa ny fiainam-pirenena. Raha mbola misy ny fotoana tokony hifampiresahana, inna no sakana tsy hanaovana izany. Olona manana ny lazany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa izy ireo. Midika izany, fa tsy hilaozan’ny hevitra iray ahafahana manatsara ny tontolon’ny firenena izy ireo. Tsy izay miteny, dia hitady toerana, ary tsy azo hosokajiana ho mpanongam-panjakana avokoa ny mpanohitra rehetra. mBola misy ny fotoana, koa tsy aleo ve mifankatia ry mpiray tanindrazana, toy izay hifandrafy lava izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS