Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h10
 

Teny zato, kabary arivo

Mety ho fasika i Ivato

mardi 29 juillet 2008 | Naivo kely

Tsy mety miravona, fa disadisa hatrany. Io no tsapa amin’ny fihetsiky ny ben’ny tanàna eny Ivato Aéroport sy Ivato Firaisana. Resaka ady tany hatrany no fototry ny olana.

Ny herinandro teo no voalaza fa nikasa hanangana tamboho sy hanampy ny trano hiasany ny ben’ny tanàna ao Ivato Firaisana. Tsy nanaiky izany ny ankilany, ka velona teo ny gidragidra . Niditra an-tsehatra ny sefo Distrika ao Ambohidratrimo. Niravona vonjy maika ny raharaha nanomboka teo. Ny sabotsy teo anefa dia raikitra ny barazy. Tsy barazy toy ny tamin’ny taona 2002, fa hetsika ho fisakanana ny kaominina Ivato Firaisana tsy hanao ilay trano sy tamboho hanasaraka ny andaniny sy ny ankilany. Na dia efa vita aza ny fototra, dia nirava maina ny fikasana io sabotsy io. Gaga ny mpandalo, satria mety hivadika ho fasika ilay Ivato teo raha mitohy ny ady lahy politika isaky ny mihetsika izao. Tsara ny milaza fa samy voafidy tamin’ny antoko TIM avokoa ireto ben’ny tanàna ireto. Hatraiza ny tena fijerena ny tombontsoam-bahoaka amin’izao olana matetika izao ? Dia hiandry ny kapoka avy any ambony indray ve vao ahay hifanaraka izy roa tonta ? Ny vahoaka no hitsara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS