Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 05h09
 

Teny zato, kabary arivo

Ifandroritana

vendredi 25 juillet 2008 |  563 visites  | Naivo kely

Raikitra ny fanehoan-kevitra eo amin’ny sehatry ny fampianarana. Naneho ny heviny avokoa ny mpanao politika sy ny hery rehetra eto amin’ny firenena. Tsy ho gaga isika raha samy miteny avokoa ny rehetra, satria miankina amin’io ny hoavin’ny taranaka aty afara.

Ahiahy tsy hiavanana. Hiova ho amin’ny teny Malagasy ny ho enti-mampianatra. Misy ny tsy mankato izany, satria mety ho bado angaha ny zanany, raha vao miteny gasy ka hilaozan’ny zanaky ny mpanana eo amin’ny fahaizana fiteny vahiny ? Misy ihany koa ny tena faly, satria ny tenin-drazany no entina manabe ireto menaky ainy. Ifandroritana hatreto ity politika vaovao ho entin’ny fanjakana hampiharina manomboka izao ity. Maro no mangataka ny hisian’ny ady hevitra izay handraisan’ny maro anjara. Inona tokoa no sakana tsy hanaovana izany ? Maro no avanam-pianarana eto amintsika, izay ilaina ny hakana ny hevitry izy ireny. Tsy tokony atao ho tompon-trano mihono ny vahoaka tsy vaky volo, satria ao amin’ny fanabeazana ny lakilen’ny fampandrosoana rehetra. Miandry ny maro raha toa ka hiditra amain’izany ny fanjakana. Aoka tsy ho atao resaky ny moana sy mareniny izy ity, ka hifampiahiahy lava eto isika mianankavy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS