Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 16h07
 

Teny zato, kabary arivo

Aleo hilamina dia misesy

samedi 2 août 2008 |  608 visites  | Naivo kely

Ny kibo tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy. Tsy maintsy mitady izay ho arapaka isan’andro, ka ny lafiny politika aloha no najanona.

Maro tamin’ireo mpitarika antoko teto Madagasikara no nivadika any amin’ny sehatry ny fandraharahana. Rehefa tsy nahatafita ny fanaovana politika dia aleo aloha mibizina hamelomana vady aman-janaka. Kandida nandritra ireny fifidianana maro nifanesy ireny no nandao ny sehatry ny politika.

Ny tsy azo lavina dia maro no nahazo tolotr’asa tamin’izao fitondrana izao. Nahazo asa hoy ny mpitazana ka nangina. Eo ihany koa ireo niverina any amin’ny asam-panjakana rehefa nahavita ny andraikiny maha-olom-boafidy azy teo aloha. Ireo tsy mba manana andraikitra etsy sy eroa sisa no mbola heno mikaon-doha etsy sy eroa. Porofo tsy azo lavina, fa rehefa tsy dia misy atao ny sasany, dia miditra manao politika. Efa hatramin’izay io, fa tsy vao izao. Ny antony, dia sao mba mahazo seza ho takalon’ny fanoherana.

« Aleo hilamina dia misesy kosa », hoy ireo tena mijoro amin’ny foto-kevitra hananany. Misy fotoanany ny zava-drehetra. Tsy maintsy hambara ny marina, saingy aleo ahatsapa ihany koa ny vahoaka hoy ireo efa zatra ny maneho hevitra. Rehefa ny vahoaka no mahatsapa ny fangirifiriany, dia mora hampitaina ny hevitra. Vahoaka tsy taitra ve no dontoinao amin’ny politikanao ny sainy ? Tsia, hoy ireto olona telo fanta-daza nandritra ireny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo ireny. Tsy ho gaga ianareo, hoy izy ireo, raha mirona bebe kokoa any amin’ny fandraharahana aloha izahay. Dia isaky ny inona izany vao hiseho vahoaka haneho hevitra ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS