Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 13h25
 

Teny zato, kabary arivo

Teny zato kabary arivo

Nahazo ny anjarany

vendredi 8 août 2008 | Naivo kely

Ela ny ela, nahazo fiara ihany ny depiote. Volana maro aty aoriana vao mba nahazo ny anjarany ireo olom-boafidy avy amin’ny tsy miankina. Efa tara ihany izany raha mitaha amin’ireo namany ao Tsimbazaza, satria ny hafa efa nahavita nitety faritra maro amin’ny fiara 4x4.

Rehefa nahazo kosa, hoy ny hafa dia izay no zava-dehibe. Ho an’ny mpitazana, dia saika nitoetra teo anivon’io andrim-panjakana iray ny fanaovana zanak’ ikala hafa. Soa fa voasoroka mialoha izany. Tsy dia hita taratra eo anivon’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity ihany koa ny tena mpanohitra. Ny manara-drenirano no betsaka. Afaka hanao inona eo ihany koa moa ?
Ny asa hipaka eny anivon’ny vahoaka no hifampitsarana. Miandry ny tatitra ihany koa ny mpifidy, fa tsy ho sanatria fiara natao higalabonana eran’ny tanàna fotsiny ity fiara vaovao ity. 15 ireto depiote nahazo fiara ireto, ary ny anjaran’ingahy Zakahely, dia voalaza fa tsara pirina ao. Asa iza no omena azy io ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS