Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 6 mai 2024
Antananarivo | 15h14
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Asa fanaovan-gazety

    « Tsy tokony afangaro amin’ny politika », hoy i Louis Bernard

    samedi 27 décembre 2008 | Naivo kely |  1055 visites
    Nampiteny ny moana ny zava-nisy teto Madagasikara, tao ho ao momba ny resaka asa fanaovan-gazety teto Madagasikara. Taorian'ny nanakatonana ny fahitalavitra iray teto an-dRenivohitra, dia maro no naneho ny heviny momba izany. Ny mpanao politika, ny fiaraha-monim-pirenena, ny olon-tsotra, ary ny mpanao gazety. Raha ity farany ity no asian-teny, dia naneho ny heviny momba ny fahitany ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ny depiote Louis Bernard voafidy tao amin'ny boriborin-tany (...)
  • Ahodino ho vola

    samedi 27 décembre 2008 | Naivo kely |  680 visites
    Manankarena isika eto Madagasikara, ary be no milaza fa sarotra ho an'ny Malagasy ny hisian'izany fahasahiranana ara-tsakafo izany. Mitombina io raha ny fahitana ny fitobaky ny sakafo namidy nandritra ireny fety ireny no jerena. Ny vola indray no tsy maharaka, hoy ny fomba fiteny. Mbola be anefa no tsy afa-po amin'ny vidim-bokatra azony, ka mitaraina lava fa tsy mahavelona ny asa fambolena. Mety ho marina izany amin'ny hafa, nefa azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ny saina, manita-kevitra (...)
  • Dadabe Noely roa

    lundi 22 décembre 2008 | Naivo kely |  886 visites
    Ny mizara kilalao sy vato mamy no nahafantarana ny dadabe Noely hatramin'izay, dia misy kosa dadabe Noely mizara hevitra any amin'ny vahoaka ankehitriny. Dadabe Noely roa izy ireo, na dia heverina fa tsy mbola dadabe aza raha ny hatanorany no jerena. Ny dadabe noely iray, dia maneho hevitra matetika rehefa miseho amin'ny haino aman-jery. Isaky ny alahady hariva ihany koa dia miteny izy. Ny filoham-pirenena io. Manambara ny ezaka natao sy ny tsy maintsy mbola hatao ny lehilahy. Fa nisy (...)
  • Madagasikara sy Arabie Saoudite

    Lasa omaly ny masoivoho malagasy, Patrick Ramiaramanana

    lundi 22 décembre 2008 | Naivo kely |  1920 visites
    Lasa any amin'ny firenena mpamokatra solika i Patrick Ramiaramanana, rehefa niato tamin'ny naha-minisitra azy nandritra ny volana vitsy. Andraikitra lehibe no miandry ity masoivontsika ity any Arabie Saoudite, raha tsy hiteny afa-tsy ny fanafaran'ny fanjakana solika any ivelany. Omaly no nandao an'i Madagasikara i Patrick Ramiaramanana. Tsy zoviana amin'ny maro ny lehilahy, satria nitana andraikitra goavana hatrany teto amin'ny firenena. Notendrena ho PDS teto Iarivo, ary lany ho ben'ny (...)
  • Fisamborana ?

    samedi 20 décembre 2008 | Naivo kely |  1132 visites
    Resabe teto an-dRenivohitra omaly ny feo niely tetsy sy teroa fa hosamborina hono ingahy Andry Rajoelina. Iza no hisambotra azy, ary inona no antony ? Io no feo niraradraraka tetsy sy teroa omaly tontolo ny andro. Mialoha ny nahafantarana ny marina avy amin'ny Fanjakana dia efa niainga sahady ny tora-po teny rehetra teny, ka zary tsy voafehy ny tendrom-po tsy mba namana. Hikohamaina aza atao, maika fa hisy rehoka, hoy ny fomba fiteny izay. Tsapa tamin'io omaly maraina io, fa misy mihitsy ny (...)
  • Mijapy TGV ny mpanohitra

    vendredi 19 décembre 2008 | Naivo kely |  2038 visites
    Velom-bolo ny antoko mpanohitra rehetra, fa niroso hiara-dia hiseho vahoaka amin'izy ireo ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina. Ity ben'ny tanàna ity tokoa mantsy sisa hany fanantenan'izy ireo afahana mamory vahoaka eto an-dRenivohitra. Vonona ity tovolahy kely vao erotrerony ity, hanao sorona ny ainy, hitarika iretsy antoko politika efa goaika antitra hisedra ny mafy rehetra amin'ny hambara ho tsindry hazo lena ataon'ny mpitondra ankehitriny. Ny profesora Zafy Albert no tsy tazana tetsy amin'ny (...)
  • Mahamenatra

    vendredi 19 décembre 2008 | Naivo kely |  869 visites
    Te-hiaka-dapa sa maniry ny mba ahazo famatsiam-bola ho an'ny antoko politika ? Tsapa io nandritra ilay fihaonana natao teny Iavoloha farany teo nandinihana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Nipoitra tany amin'ny toerana niafenany avokoa mantsy ireo anarana antoko politika maro samy hafa. Eny misy ny mbola tsy re mihitsy hatramin'izay, ary tao ihany koa anefa ireo efa noheverina fa maty, saingy nitsangana ankehitriny fa hisy dinika hiarahana amin'ny filoha Ravalomanana. (...)
  • Singam-bolo nandavo ny vositra

    mercredi 17 décembre 2008 | Naivo kely |  670 visites
    Raikitra ny ady hevitra etsy Iavoloha. Misy ny vonona, ary misy ny ninia tsy nihaino ny antso nataon'ny filoha Ravalomanana. Tsy mbola hay aloha hatreto, izay hevitra hivoaka ho lalàna ao, fa ny tsapa, dia nahasarika ny ady hevitra politika maro teto amin'ny nosy io sata hapetraka hifehy ny antoko politika io. Tsy hitanisa izay mety ho isan'ny mpandray anjara eny isika, fa ny azo antoka, dia hipetraka ho lalàna io, ary tsy maintsy ho toavin'ny antoko rehetra izay misy eto. Maro ireo nihevitra (...)
  • Fanambadiana tetsy Ambanidia

    Tsy fitiavana fa noterena

    mercredi 17 décembre 2008 | Naivo kely |  2152 visites
    Ny hanambadiana hiadanana. Tsy izay anefa no nitranga tetsy amin'ny boroborintany faha-roa ny alakamisy sy ny sabotsy lasa teo, teo amin'ireto olon-droa saika hanorina tokan-trano. Ho atao ny soratra ny alakamisy maraina lasa teo. Rehefa vory ny fiankaviana tao amin'ny efitrano fisoratana tao Ambanidia, ary hiroso amin'ny fanoratana ny ben'ny tanàna lefitra no niseho ny tsy nampoizina. "Tsy noterena ve ianao hanambady an'i ... hoy ingahy mpanoram-panambadiana" ? "Noterena tompoko", hoy (...)
  • Matanjaka malemy

    mardi 16 décembre 2008 | Naivo kely |  1070 visites
    Nakatona izany ny fahitalavitra VIVA. Nitombo isa indray ny tantaran'ny haino aman-jery nakaton'ity fitondrana ankehitriny ity ao anaty bokin'ny asa fanaovan-gazety eto Mdagasikara. Ny kabarin'ingahy Didier Ratsiraka izay efa osa sy antitra mitsoam-ponenana any ivelany, no antony nanaovana izao fihetsika izao. Manohitohina ny filaminam-bahoaka anatiny, ka rasina avy hatrany ny fepetra tamin'ny sabotsy alina iny. Gaga ny maro, satria olona efa nandositra any an-tany lavitra any no mbola (...)
  • Tsy sahy miady hevitra

    lundi 15 décembre 2008 | Naivo kely |  902 visites
    Be resaka ambadika fa tsy sahy mifanatrika miady hevitra. Io no tsapa amin'ireo mpanao politika eto Madagasikara. Asa tahotry ny ho resy imasom-bahoaka ve sa mbola tsy zakan'ny demokrasia eto Madagasikara ny ady hevitra ? Raha hitodihana ny tranga niseho teto Madagasikara, dia ny andron'ny Profesora Zafy Albert fony izy teo amin'ny fitondrana no nisy izany ady hevitra nifanatrehana izany. Ny amiraly Ratsiraka sy ny Profesora Zafy no nanao izany tamin'ny fahitalavim-pirenena. Andro hanaovana (...)
  • Izay mitambatra Ivato

    samedi 13 décembre 2008 | Naivo kely |  531 visites
    Tapaka tao anatin'ny Filankevitry ny minisitra izany, fa atambatra ho iray ny eny Ivato roa tonta. Ivato Firaisanana sy Ivato Seranana io. Ho tapitra hatreo ny disadisa eo anivon'ireto kaominina roa ireto hoy ny mpitazana rehetra. Zary ho nofy sisa ireo adilahy politika nataon'ny ben'ny tanàna, tamin'ny kaominina mpifanolo-bodirindrina ireto. Nipetraka iny ny lalàna navoakan'ny fanjakana, ny fampiharana sisa andrasana. Ho avy ihany koa ny fivoriana izay ho atao eto amintsika, ka Ivato no (...)
  • Vono olona teny Ivato-Aéroport

    Tafavoaka ilay nahavanon-doza

    samedi 13 décembre 2008 | Naivo kely |  983 visites
    "Mahalasa adala ve ny mamono olona ? Mety ho eny, ary azo atao tsara ny mody adala mba hialàna amin'ny mety ho figadrana". Io no nambaran'ity renim-pianakaviana iray, vao namoy ny zanany teny Ivato-Aéroport ny volana Aprily lasa teo. "Vono olona niniana natao no nahafaty ny zanako. Ny tena mampalahelo, dia olona mpitandro ny filaminana mpiaro olona ambony iray eto amin'ny firenena no nahavita ny heloka. Ny volana Aprily lasa teo no voatifitra ny zanako tao amin'ny trano fisotroana iray teto (...)
  • Tsy manan-tsafidy

    vendredi 12 décembre 2008 | Naivo kely |  472 visites
    Mafana indray ny ady hevitra politika eto amin'ny tanàna. Mipoitra avokoa ireo antoko efa natory nandritra ny taona maro. Na efa tsy mitoetra intsony amin'ny foto-keviny aza ireny, dia mbola manana ny hevitra hambara kosa ny filoha izay nanorina azy. Ny resaka fametrahana ny sata hifehy ny antoko politika no nanaitra azy ireo tamin'ny torimasony. Rariny izany, satria goavana ity lalàna hifehy ny fikirakirana politika ity. Tora-kovitra ihany anefa ny sasany mandre, fa ho voahilika ao (...)
  • Làlana eto an-dRenivohitra

    Izay vao taitra ny kaominina

    vendredi 12 décembre 2008 | Naivo kely |  592 visites
    Efa ela no nitaraina ny vahoaka momba ny fahapotehan'ny làlana eto an-dRenivohitra ny vahoaka, nefa toa tsy nisy mpihaino izany. Nilatsaka ny orana, nihombo ny fahapotehana. Nitohana ny fiara vokatry izany, ary niharatsy ny endriky ny làlana tsara tarehy teo aloha. Herintaona aty aorian'ny nandraisan'ny ben'ny tanàna ny fitondrana vao hiroso tanteraka amin'ny fanamboarana izany làlana izany izy ireo. Ny alatsinainy izao no fantatra fa hanombohan'ny asa, ary heverina ho vita alohan'ny faran'ny (...)
  • Filohan’Antoko migadra

    Biby tsy misy loha tsy mandeha

    jeudi 11 décembre 2008 | Naivo kely |  780 visites
    Mahatsiaro ho kamboty ireo antoko manana ny filohany migadra amin'izao fotoana izao. Ny antony, dia maniry ny handray anjara amin'ilay fihaonana izay hametrahana ny sata hifehy ny antoko politika izy ireo, saingy tsy afaka. Ho an'ny fikambanana "Tambatra" dia fantatra ny sabotsy teo raha nisy fivoriana tao Fianarantsoa, fa maniry ny hamoahana an'i Pety Rakotoniaina izy ireo. Ny antoko hafa nandray anjara tamin'izany ady hevitra izany ihany koa dia maniry ny hampodiana ireo nitsoam-ponenana (...)
  • Làlan-dririnina

    mardi 9 décembre 2008 | Naivo kely |  596 visites
    Tafapetraka ny valabe ao Ihorombe. Omby amin'arivony no hitoby ao. Ho fiarovana ny omby amin'ny hafitsoky ny dahalo no tena tanjon'ny fanjakana tamin'izao hetsika izao, ka roa taona monja no faharetan'ny asa, dia vita. Velaran-tany mahatratra 5000 hekitara no misy ity valabe ity. Voalaza fa ho azo antoka ny fahasalaman'ny omby, satria hisy mpitsabo hanara-maso izany ao. Ho fantatra ihany koa ny fiavian'ny omby rehetra, ary halalaka ny fanondranana omby rehefa tsy hita taratra firy intsony (...)
  • Fihaonamben’ny mpanao politika

    Handray anjara ny hery rehetra

    mardi 9 décembre 2008 | Naivo kely |  400 visites
    Ny 17 desambra izao no hanaovana ilay fihaonamben'ny antoko politika rehetra eto Madagasikara. Fanambaran'ny filoha Ravalomanana tany Nosy -be io omaly. Handray anjara amin'io avokoa ny antoko rehetra. Nantsoina ihany koa ny Fiarahamonim-pirenena sy ny Fiangonana, satria raharaham-pirenena no atao. Izay tsy afaka ny hanatrika izany, dia azo atao an-tsoratra ny soso-kevitra ka apetraka eny anivoan'ny Mediatiora izany. "Sahia mifanatrika ka asakasakareo tsy handray anjara amin'io", hoy ny (...)
  • Ravalo no olana

    lundi 8 décembre 2008 | Naivo kely |  1683 visites
    Vaky ny nafenina teo amin'ny mpanohitra. Ravalo no olanay hoy ingahy Daniel Ramaromisa ny asabotsy teo tetsy Andravoahangy ambony. Nandritra ilay fivoriana niantsoan'ny antoko AKFM ireo antoko politika maro teto amin'ny nosy no nivoahan'io resaka io. Tsy marisika ny hiditra amin'ilay fiantsoan'ny filoham-pirenena hijerena ny lalàna hifehy ny antoko politika ry zareo mpanohitra. Na dia io aza no fitakian'ny antoko maro nandritra ny taona maro, dia notsipahina indray ny fandinihana azy, rehefa (...)
  • Lalàna hifehy ny antoko politika

    « Aza ampiesonina ny vahoaka » hoy i Tabera

    lundi 8 décembre 2008 | Naivo kely |  710 visites
    Tsy maika io sata hifehy ny antoko politika io, raha tsy miroso amin'ny fampihavanam-pirenena isika. Ny antony, dia ny filoha mpitarika antoko maro no migadra any am-ponja amin'izao fotoana izao. Lalàna inona no ho vita amin'izany ? Ny CRN dia efa nanambara fa resaka fandaniana andro fotsiny io. Misy antony manery an-dRavalomanana tsy maintsy hanao io hoy ihany ingahy Tabera Andriamanantsoa izay isan'ny mpikambana mavitrika ao amin'ity CRN tarihan'i Profesora Zafy Albert ity. Hiezaka (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS