Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 11h49
 

Malagasy

Filohan’Antoko migadra

Biby tsy misy loha tsy mandeha

jeudi 11 décembre 2008 | Naivo kely

Mahatsiaro ho kamboty ireo antoko manana ny filohany migadra amin’izao fotoana izao. Ny antony, dia maniry ny handray anjara amin’ilay fihaonana izay hametrahana ny sata hifehy ny antoko politika izy ireo, saingy tsy afaka. Ho an’ny fikambanana « Tambatra » dia fantatra ny sabotsy teo raha nisy fivoriana tao Fianarantsoa, fa maniry ny hamoahana an’i Pety Rakotoniaina izy ireo. Ny antoko hafa nandray anjara tamin’izany ady hevitra izany ihany koa dia maniry ny hampodiana ireo nitsoam-ponenana any ivelany, aty an-tanindrazana. Marina hoy izy ireo fa misy ny mpikambana ao anatin’ny antoko afaka misolo tena azy ireo, saingy hafa ihany ny tena filoha mpanorina no miatrika ny ady hevitra tahaka ity hitranga ny 17 desambra izao ity. Ny biby tsy misy loha tsy mandeha hoy ny mpivory maro tao Fianarantsoa. Tsara ny manamarika, fa ny fikambanan’ny mpanao gazety any an-toerana no nikarakara izao hetsika izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS