Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 6 mai 2024
Antananarivo | 18h11
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Ivan Randriasandratriniony

    Mazava ny resaka

    lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely |  1314 visites
    “Mitady ny fomba rehetra handrombahana fahefana ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra Andry TGV. Mipoitra avokoa ankehitriny ny tetiny hanaovana izany, ka ny fametrahana kianjan’ny demokrasia no lalana iray heveriny fa hidirana amin’io fandrombaham-pahefana io. Tsy misy afa-tsy ny fifandimbiasan-toerana amin’ny alàlan’ny fifidianana ihany anefa raha te-hampanjaka izany demokrasia izany”. Io no nambaran’ny filohan’ny antenimieran-doholona, Randriasandratriniony, manoloana ny hetsika politika mitranga (...)
  • Endrim-panoherana eto an-dRenivohitra

    Handray ny andraikiny ny fanjakana

    lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely |  1553 visites
    Inona no hitranga ? Samy maminavina ny mety ho tohiny isika, satria tsy fitakiana fe fitakiana no ataon’ny mpanohitra, fa efa fanonganam-panjakana. Ny antony dia ireo fitakiana maro tsy maintsy ho tanterahin’ny fanjakana amin’ity herinandro ity. Ny fanjakana efa nampitandrina ireo minia manakorontana, indrindra ireo mianan-kendry amin’ny fanonganam-panjakana isan-karazany. Nipoitra iny ny hevitry ny ben’ny tanàna, ary heno fa handray ny andraikiny tandrify azy ny fanjakana. Tsy hiteny izahay hoe (...)
  • Takon’ny aloka

    samedi 17 janvier 2009 | Naivo kely |  897 visites
    Tia raha isika eto Madagasikara, ary tsy mety fay amin’izay tranga efa nampidi-doza ny firenena. Hifantoka etsy Ambohijatovo ny mason’ny mpanara-baovao maro. Na dia ambara aza fa leo politika ny olona, dia tsy azo hodian-tsy hita ny fifantohan’ny saina amin’izay mety ho tohin’ny tolona ataon’ny mpanohitra. Ny mampalahelo, dia variana amin’ny resaka toy izao ny ankamaroan’ny maro, ka ny lahasa entina hanatsara ny fianam-bahoaka andavan’andro no adino. Ny mpitantana ny kaominina, dia hifantoka amin’ny (...)
  • Politika sy vaky fonja

    Manamaloka ny risim-pon’ny vahoaka

    samedi 17 janvier 2009 | Naivo kely |  700 visites
    Rehefa tsy naha-taitra ny maro ny fanehoan-kevitra politika hatramin’izay, dia ny gadra indray no nanao ny nataony. Teo no naha-rarakivy ny ambanilanitra, satria ireo nahavanon-doza teo amin’ny mpiara-belona no tafavoaka ny fonja nitazomana azy. Samy mailo ny ankamaroan’ny mponina amin’ny asa andavan’andro izay ataony. Ity fikasan’ny hafa hamerina ny lasa amin’ny alàlan’ny fihetseham-bahoaka ity, dia efa zava-doza ho an’ireo mitady harapaka isan’andro. Asa inona tokoa no ho vita ao anatin’ny (...)
  • Kianjan’Ambohijatovo

    Hifandroritana ny anarana

    samedi 17 janvier 2009 | Naivo kely |  1193 visites
    Toerana tsara, sady talaky maso ny kianja etsy Ambohijatovo. Tsy atao mahataitra raha ifandrombahan’ny olona ho atao sehatra ifanankalozan-kevitra. Ireto ireo anarana efa napetraka ho anaran’ity kianja ity. Natao ho “Kianjan’i Laha Gaston” izy io ny taona 1992, rehefa avy nifampitifitra tamin’ny mpitandro ny filaminana teny Soanierana ny federalista. Maty tamin’io ingahy Laha Gaston, ary notakian’ireo mpitolona tamin’izany ny ametrahana ny anarany. Ny mpitantanana ny kaominina teto kosa, dia (...)
  • Miteny ny mpanao politika

    Novelesin’i Moxe kanota i Radidy sy Andry TGV

    vendredi 16 janvier 2009 | Naivo kely |  3307 visites
    “Ampiharo ny lalàna ho an’izay mandika izany. Olona efa namotika ny vahoaka tamin’ny taona 2002 ve no mbola omena sehatra mandritra ny 41 minitra, ary mbola milaza indray Ratsiraka tao amin’ny fahitalavitra VIVA fa mpisandoka fahefana ny mpitondra ankehitriny”. “Tsy azo ekena izany”, hoy ny loholona Moxe Ramandimbilahitra. Fananan’olontokana ve no hanaovan’ingahy Andry Rajoelina ny mponina eto an-dRenivohitra fitaovana. Ny mampalahelo, hoy i Moxe Ramandimbilahitra, dia ny fanasan’ny filoha (...)
  • Raharaham-pirenena

    Aza faly mamafy korontana

    vendredi 16 janvier 2009 | Naivo kely |  1711 visites
    Inona no fomba hanjonoana ny fon’ny vahoaka eto an-dRenivohitra, Tsy hay, fa ny tsapa, dia misy olona mikarama mamafy lainga hambabo ny fon’ny vahoaka eto. Saika isan’andro vaky izao no handrenesana ny feo manaitra ny hambom-pon’ny mponina eto mba hitodika any amin’ingahy ben’ny tanàna. Tsaroan’ny maro tsara andro vitsy lasa izay ny nandefasana tsaho tao anatin’ny fotoana fohy, fa ho samborina « hono » ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina. Diso avokoa ny vaovao, ary azo adika ho fitsapana ny fitiavan’ny (...)
  • Aza maika ny hanidina

    vendredi 16 janvier 2009 | Naivo kely |  1343 visites
    Takon’ny resaka politika ny sehatra maro eto amin’ny firenena. Ary mahaliana ny maro izay maneho hevitra amin’izany. Isan’io ny nambaran’ingahy ben’ny tanàna sy ny filohan’ny Repoblika ny alarobia teo. “Na inon-kidona na inon-kihatra, dia tsy hihemotra amin’ny jadona ny tenako”, hoy ny ben’ny tanàna Rajoelina. Niantso ny vahoaka rehetra ny tenany ny sabotsy izao mba hiara-hifanotrona etsy Ambohijatovo. Ny filoha ihany koa anefa, raha nihaona tamin’ireo ankolafin’olona maro teto an-dRenivohitra teny (...)
  • Fahasalamam-bahoaka

    Soa fa nandalo ny filoha

    vendredi 16 janvier 2009 | Naivo kely |  737 visites
    Manomboka anio ny asa fanatsarana sy fanadiovana ny hopitaly etsy Befelatanana. Fanamboarana ireo efitra maro sy ny fandrakofana tara ny tokontany rehetra ao amin’ity hopitaly be eto an-dRenivohitra ity. Ny fahasalamana no voalohan-karena. Ny tsapa anefa toa tsy izay no hita eto. Vokatry ny tsy fahafahan’ny marary mitsabo tena noho ny halafon’ny fanafody. Ny tsy fahalavorariana ny toerana misy azy ireo. Ny avonavon’ny mpikarakara marary hafa. Manaiky isika fa misy ny ezaka isan-karazany mba (...)
  • Fonjan’i Tsiafahy

    Tonga lapan’ny demokarsia

    jeudi 15 janvier 2009 | Naivo kely |  1584 visites
    Hita ao Tsiafahy avokoa ny hery nandray anjara tamin’ny raharaham-pirenena rehetra teto Madagasikara. Na miaramila, na sivily, na depiote, ben’ny tanàna teo aloha, eny fa hatramin’ny manamboninahitra nisahana ny filaminana rehetra teo amin’ny tanindrazana aza. “Gadra politika” Raharaha politika no nahatonga azy ireo ho tafaray ao amin’ity fonja be ity. Samy manana ny fomba ho entiny hilazana ny fihaonan’izy ireo ao ny maro, ka ny filazana ho “gadra politika” no hamehezana izay voalaza rehetra. Tsy (...)
  • Tsy taitra ny maro

    jeudi 15 janvier 2009 | Naivo kely |  1384 visites
    Izay ataon-dry zareo matanjaka eo, dia zakaina avokoa e. Io no teny heno etsy sy eroa nandritra ny andro vitsy teto an-dRenivohitra. Momba ny hetsiky ny mpanohitra io. Samy naneho ny heviny avokoa na ny filohan’ny Repoblika ny talata lasa teo, ary novalian’ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina ihany koa ny alarobia. Tsapa fa misy ny alahelo an’ity ben’ny tanàna ao amin’ny maro, saingy toa tsy marisika ny hanao hetsika politika intsony ny olona. Ireo ve tsy ahay hifandamina eo hoy indray ny hafa, fa ny (...)
  • Tapitra ny fampitandremana

    Any amin’ny TGV sy ny AVI ny baolina

    mercredi 14 janvier 2009 | Naivo kely |  2005 visites
    Inona no hitranga ? Io no fanontaniana mipetraka ao an-dohan’ny maro. Tapitra omaly tokoa ny fe-potoana nomen’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina, ny mpitondra fanjakana hanokafany ny haino aman-jery izay nakatony, ka isan’io ny fahitalavitra VIVA. Voakasika ao anatin’ny fangatahany napetrany ho an’ny fanjakana ihany koa ny fanajana ny zon’olombelona sy ny demokrasia. Mihorohoro ny ankamaroan’ny mponina raha vao dila ilay daty 13 janoary omaly. Miandry izay ho ataon’ny mpanao politika ny rehetra. (...)
  • HIMO mira fahantrana

    mercredi 14 janvier 2009 | Naivo kely |  850 visites
    Raikitra indray ny tetikasa HIMO. Faly ny mponina sahirana fa mba misy vola kely ho raisina ahafahana amidy sakafo. Tomefy olona manadio tatatra sy manala ny lobolobo isaky ny fokontany. Olona aman-jatony maro no miara-misalahy amin’ity asa ity. Ny fanjakana no mandray an-tanana ny raharaha, ary hita taratra, fa misy vokany ilay asa. Inona tokoa no tsy vitan’ny fifanomezan-tanana ao anatin’ny sarotra. Ny mponina mahazo vola, ary ny tanàna madio. Tsy tokony hirehareha anefa isika amin’itony (...)
  • Depiote tsy miankina

    Atody miady amam-bato

    mercredi 14 janvier 2009 | Naivo kely |  784 visites
    "Tsy izay rehetra aroso eo anoloanay, dia holaniana avokoa. Hitsipaka ilay tolo-dalàna izahay ary manana saina handinika sy hamakafaka ny rariny sy ny hitsiny ny depiote ka aoka tsy ho ampitoviana amin’ireo mpanara-drenirano”. Depiote Haja voafidy tany Tsiroanomandidy no nanambara izany. Efa nisy ny fotoam-pivoriana nataon’ireto depiote tsy miankina ireto, ka hiroso amin’ny fitsipahana ilay tolo-dalàna izy ireo. Marina fa misy lafiny maha-tsara ilay fandrafetana ny lalàna hifehy ny antoko (...)
  • Pierre Houlder

    Ny kajikajy politikan’ny Arema

    mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely |  1685 visites
    Niala tsy ho sekretera jeneralin’ ny antoko Arema i Pierre Houlder. Noraisin’ingahy Pierrot Rajaonarivelo indray ny fanevan’ity antoko ity, na dia any ivelany aza no misy azy. Tsy taitra amin’ny raharaha anatin’ity antoko ity ny rehetra, fa ny mahazendana, dia ny filazana fa noraisin’ny SG teo aloha manao sesin-tany ny tenany any ivelany indray ilay andraikitra goavana efa nolaviny teo aloha. “Mandeha ny kajikajy politikan’ny antoko Arema”, hoy ny mpitazana, satria mety tsy hampiray hina ny (...)
  • Asa fanaovan-gazety

    Tsy mampihemotra ny ramatahora

    mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely |  756 visites
    Asa masina ity asa ity, ka aleo maty toy izay tsy hilaza ny marina. Isan’ny fanehoan-kevitra nataon’ny namana mpanao gazety maro io, omaly raha nandre ny fahavoazana nianjady tamin’ny namana Rolly Mercia ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny toy izao no vao mainka hametrahana ny firaisan-kina eo amin’ny samy mpanao gazety. Ekena fa samy manana ny fomba fampitany ny vaovao ny rehetra, saingy ny maha-asa iray ity asa ity no jerena sy hamafisina. Vanim-potoana mafana izao eo amin’ny sehatry ny (...)
  • Lapan’ny tsanga-tanana

    mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely |  809 visites
    Hikaon-doha handinika lalàna indray ireo andrim-panjakana roa eto aminstika. Ny fanitsiana ny lalàm-panorenana sy ny fandaniana ny lalàna hifehy ny antoko politika no anton’izao fivoriana tsy ara-potoana izao. Tsy dia misy zava-baovao andrasana amin’ny mety ho fiovan-kevitra ataon’ireo olom-boafidy mpanao lalàna ireo. Ny antony, dia tsy hita taratra intsony eny anivon’ireto andrim-panjakana ireto ny ady hevitra toy ny taloha. “Tsy kianjan’ny demokrasia intsony, hoy ny mpitazana fa lapan’ny (...)
  • Karama farany ambany

    Ampiakaro ho Ar 200.000, hoy ny SVS

    mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely |  828 visites
    Tsy mifanaraka amin’ny vidim-pianana ny karama farany ambany. Ilaina noho izany ny hampiakarana ny karama farany ambany ho Ar.200.000, hoy ny SVS (Sendikalista Vaha-olana Sahaza”, izay tarihan’ingahy Razanajatovo Prosper. Mihena hatrany amin’ny 350% ny fahefa-mividin’ny mpiasa. Mandia fotoan-tsarotra noho izany ny fiainan’ny mpiasa Malagasy. Misy ireo ezaka ataon’ny fanjakana, saingy mbola ny fitakiana tamin’ny taona 1960 no mbola hiainana ankehitriny. Mitaky fa tsy manery ny SVS, ary efa nisy ny (...)
  • Faritra iva

    Misy mitady hanao fitaovana politika

    mardi 13 janvier 2009 | Naivo kely |  683 visites
    Samia tonga saina amin’izao fahantrana izao isika. Ampy izay ka aleo manova toy izay ho ataon’ny sasany fitaovana fitadiavam-bato lava izao. Ireo no teny entin’ny andian’olona mitety trano sy fivarotana ho mariky ny firaisan-kina eny anivon’ny faritra iva. Tsy voazava mazava kosa anefa na hiaraka amin’ny mpanohitra ankehitriny, na hiaro ny fitondrana no tena tanjon’ireto andian’olona ireto. Ny tsapa kosa anefa, dia nanambara ireo olona ireo, fa rehefa tonga ny “Top”, dia tokony tsy hisy (...)
  • Vavaka tetsy Mahamasina

    Notaterina tamin’ny fiara ny mpino

    lundi 12 janvier 2009 | Naivo kely |  1569 visites
    "Raha misy mivavaka roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany Aho”. Ho entina am-bavaka ny firenena, ary izay no niantsoana ny olona maro samy hafa, mba hanatrika ilay fotoam-bavaka nokarakarain’ny kaominina teto an-dRenivohitra omaly, niaraka tamin’ny antoko mpanohitra eto Madagasikara. Maro no nanohina ny antso, satria nisy tamin’ireo mpivavaka no notanterina tamin’ny fiara mandroso sy miverina mba hiara-hidera ilay Nahary. Mby tonga ao an-tsain’ny rehetra ny fanontaniana hoe, fa angaha ny (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS