Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Fahasalamam-bahoaka

Soa fa nandalo ny filoha

vendredi 16 janvier 2009 | Naivo kely

Manomboka anio ny asa fanatsarana sy fanadiovana ny hopitaly etsy Befelatanana. Fanamboarana ireo efitra maro sy ny fandrakofana tara ny tokontany rehetra ao amin’ity hopitaly be eto an-dRenivohitra ity.
Ny fahasalamana no voalohan-karena. Ny tsapa anefa toa tsy izay no hita eto. Vokatry ny tsy fahafahan’ny marary mitsabo tena noho ny halafon’ny fanafody. Ny tsy fahalavorariana ny toerana misy azy ireo. Ny avonavon’ny mpikarakara marary hafa. Manaiky isika fa misy ny ezaka isan-karazany mba ahafahan’ny marary mitsabo tena ara-dalàna, nefa mbola be ny lesoka. Raha tsy nandalo teny amin’io hopitaly be io ve izany ny filoha Ravalomanana, dia tsy mba nisy nihevitra ny hanamboatra ireo asiam-panamboarana manomboka anio ireo ? Izay no hilazan’ny maro hoe mba mandalova ianao andriamatoa filoha amin’ny sehatra maro samy hafa, fa sady mahita ny olana mianjady amin’ny vahoaka no voavaha ny olana. Maro ny sehatra marary ankehitriny, ary enga anie, mba tena taonan’ny fijerena ifotony ny fahoriam-bahoaka ity taona ity, araky ny nambaran’ny prezidà ihany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS