Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 6 mai 2024
Antananarivo | 21h47
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Mihaino vavaka ve Andriamanitra ?

    lundi 12 janvier 2009 | Naivo kely |  1295 visites
    Tsy mijery ambony fa mijery ambany. Fomba fitenin’ny olona miantso tody io, ka ilazana fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha mahita ny miafina rehetra, satria mijery midina ety an-tany izy fa tsy mitraka mijery ny lanitra misy azy. Vita indray iny ny fotoam-bavaka nambara fa hitondra am-bavaka ny firenena. Ireo hery avy any amin’ny fanoherana no nikarakara izany, na dia ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra aza no natao antoka fa nanomana izany. Ny fanohanana am-bavaka ny (...)
  • Ralison Roger

    Kivy tamin’ny nahazoana ny Force One

    samedi 10 janvier 2009 | Naivo kely |  1456 visites
    Maika ve ny nividianana ilay fiaramanidina manokan’ny filoham-pirenena? “Tsia, hoy i Ralison Roger, satria tokony fampiakarana ny farim-piainan’ny vahoaka no maika. Vahoaka miaina ao anaty fahantrana, nefa ny mpitondra toa misonanika amin’ny Force One tsara tarehy mitety faritra, ary hitety firenena”. “Azo atao tsara ny mandeha fiara 4x4”, hoy ity filohan’ny PRM ity. “Raha hitety firenena indray, dia eo ny Air Madagasikara na ny fiaramanidina hafa afahana mitsidika ny firenena hafa. Ny mampalahelo, (...)
  • Diska loaka

    samedi 10 janvier 2009 | Naivo kely |  708 visites
    Tsy hisy ahita tombontsoa ao anatin’ny korontana, ka aleo mifampidinika. Efa an-taonany maro no nandrenesana io feo tao ambavan’ny ankolafin’olona maro teto amin’ny firenena, saingy nipoitra hatrany ny olana isan-karazany. Midika izany fa tsy nisy ny finiavana teo amin’ny ankolafin’olona samy hafa hiroso amin’izany fifampidinihana izany. Mitaky ny fitakiany ny mpanohitra, ary mamoaka ny vanginy amin’ny izay mety ho rombahany, raha toa ka tsy mamaly izany ny eo anivon’ny fitondrana. Ny fitondrana (...)
  • Mpiasan’ny kaominina

    Mitohy ny disadisa amin’ny mpitantana

    samedi 10 janvier 2009 | Naivo kely |  724 visites
    Tsy mbola miravona ny olana eo amin’ny mpiasa sy ny mpitantanana eo anivon’ny kaomnina eto an-dRenivohitra. Efa notaterina teto amin’ity gazety ity iny taona lasa iny, ny fitarainana nentin’ireo mpiasan’ny kaominina, momba ny fanilikilihana azy ireo ankehitriny. Ny mpitantanana ankehitriny no fototry ny olana, ka tsy voajery ny zo tokony hananan’ny mpiasa sy ny asa ho an’ny vahoaka. Efa an-taonany maro ireto mpiasa ireto no niditra tao, nefa mbola ELD sy ECD foana hatramin’izao. Ireo olona mpiray (...)
  • Faritra Analamanga

    Afaka mitsabaka amin’ny asan’ny Kaominina

    vendredi 9 janvier 2009 | Naivo kely |  739 visites
    Taorian’ny fitoriana nataon’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra, dia nitondra fanazavana toy izao ny lehiben’ny faritra Analamanga, Fidy Ratsimbazafy. «Toy ny raharaham-pitsarana rehetra no nataon’ny kaominina anay sy ny eo anivon’ny Préfet de Police. Ny tsara ho marihina anefa, dia solontenam-panjakana ao anatin’ny kaominina ny Préfet, ary ny lehiben’ny Faritra kosa, dia midadasika ao anatin’ny faritra iray manontolo. Izy no misolo tena ny Governemanta na ny minisitra ao anatin’ny (...)
  • Ataovy anatra ny lasa

    vendredi 9 janvier 2009 | Naivo kely |  903 visites
    «Tsy izay miteny hoe tompoko, tompoko, no hiditra ny fanjakan’ny lanitra». Tsy izay rehetra milaza fa hamaha ny olan’ny Malagasy, dia ahavita fahagagana ho antsika avokoa. Ataovy anatra ny lasa, satria ny omaly tsy miova no hita eto. Mandindona ny korontana eto amin’ny tanàna. Tsy hay hampanginina ny fandranitana ataon’ny sasany. Hikoha-maina aza atao, maika fa misy rehoka. Ny daty 13 Janoary sisa handrasana dia tonga ny fotoana. Fotoana inona hoy ny hafa ? Ny hanetsehana vahoaka hikomy amin’izao (...)
  • Datin’ny 13 janoary

    « Aza miady fasana hilevenana », hoy i Pierre Houlder

    vendredi 9 janvier 2009 | Naivo kely |  1388 visites
    «Tsy misy maniry korontana, fa ny fitakiana no tsy maintsy atao. Any amin’ny mpitondra fanjakana ny lakilen’ny filaminana rehetra, satria ny zo fototra no hambara fa voahitsakitsaka». Io no nambaran’ingahy Pierre Houlder, manoloana ny mety hisian’ny korontana eto. «Tsy hiverina ny tranga toy ny tamin’ny 2002, satria fitakiana madio no ataonay. Diso ny fiheveran’ny sasany, fa manosika an’i Andry Rajoelina ho atao sorona amin’ny tolom-bahoaka izahay mpanao politika. Ilay zo fototra tsy voahaja no (...)
  • Volana ratsy

    jeudi 8 janvier 2009 | Naivo kely |  815 visites
    Vao manomboka ny taona, dia vaky ny fonja. Raikitra ny fifanenjehana, ary nisy ny voatifitra ka maty. Mbola nitohy ny ampitson’io ihany ny vaky fonja tany Betroka sy Ambalatavoahangy. Nipoaka ny Gaz tetsy Ambohimanarina, ary olona roa maratra mafy miady amin’ny fahafatesana, ary roa namoy ny ainy. Nisy ihany koa ny fifampitifirana tamin’ny jiolahy teny Anosizato, ary nandriaka ny ra, ary lavo ny jiolahy iray izay voalaza fa nahitana fitaovam-piadiana vita gasy teny aminy. Andro vitsy monja (...)
  • Fotoam-pivavahana etsy Ambohijatovo

    Voaantso hatramin’ny « sekta »

    mercredi 7 janvier 2009 | Naivo kely |  1487 visites
    Ela ny ela, ka nitodika hatrany amin’ny mpivavaka ivelan’ny FFKM ny antso hiara-hivavaka ny alahady ho avy izao. Antsoina isika mpino rehetra mba ho tonga hiara-hiombom-bavaka amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ny alahady ho avy izao. Manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Io no antso aparitaka eny anivon’ny fiangonana rehetra amin’izao, ka isan’ny nandrenesana izany ny itony fiangonana antsoin’ny hafa hoe « sekta » itony. Aina ity hoy Rainimanonja, ka izay rehetra afaka hameno ny toerana ao Ambohijatovo, (...)
  • Ny vola misy, fa ny…

    mercredi 7 janvier 2009 | Naivo kely |  1186 visites
    Tena lafatra. Io no azo ilazana ny fiaramanidin’ny filoha Ravalomanana, ny “Force One” vaovao. Ny vahoaka Malagasy aloha no ho teteziko amin’ity, izay vao ny firenen-kafa. Io no fandresen-dahatra nataon’ny filoha ny vahoaka, mba tsy hanome tsiny azy amin’ny fividianana ity firamanidina lafo vidy ity. Efa miakatra tokoa ny harin-karena matoa mahavidy fitaovana toy izao isika, hoy ny olona, satria tsy tao anatin’ny fotoana fohy no nilazan’ny filoha Ravalomanana fa tsy maharaka ny diany ilay “Force (...)
  • Faritra Analamanga

    Afaka mitsabaka amin’ny asan’ny Kaominina

    mercredi 7 janvier 2009 | Naivo kely |  778 visites
    Taorian’ny fitoriana nataon’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra, dia nitondra fanazavana toy izao ny lehiben’ny faritra Analamanga, Fidy Ratsimbazafy. “Toy ny raharaham-pitsarana rehetra no nataon’ny kaominina anay sy ny eo anivon’ny Préfet de Police. Ny tsara ho marihina anefa, dia solontenam-panjakana ao anatin’ny kaominina ny Préfet, ary ny lehiben’ny Faritra kosa, dia midadasika ao anatin’ny faritra iray manontolo. Izy no misolo tena ny Governemanta na ny minisitra ao anatin’ny (...)
  • Tsy nisy fepetra

    mardi 6 janvier 2009 | Naivo kely |  647 visites
    Vaky ny fonja. Io no nanamarika ny tontolon’ny fonja raha iny faramparan’ny taona 2008 iny, ary dia io nitohy ny alahady lasa teo indray. Be ireo gadra afaka nandositra, ary nisy ny voasambotra sy ny maty. Tsy hidirana lalina intsony eto ny resaka zon’olombelona, fa ny maika indrindra, dia ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny fonja eto Madagasikara. Tsy vao izao no nilazana fa efa antitra sy mora vakiana anie ny fonja eto amintsika, nefa toa rano nararaka an-damosin-gisa avokoa ireny (...)
  • Fahatongavan’ny « Force One »

    Samy nahazo ny anjarany

    mardi 6 janvier 2009 | Naivo kely |  1270 visites
    Tonga omaly ilay fiaramanidina ho entin’ny filoham-pirenena mitety firenena maro eran-tany. Ahafahantsika mifandray sy mametraka ny fiaraha-miasa no tena antony nividianana indray ity fiaramanidina haingam-pandeha noho ny teo aloha ity. Omena fitaovana ny rehetra mba ahafahany miasa. Isan’ny fampanantenana nataon’ny filoha Ravalomanana io, ary dia tonga tokoa izay nampanantenainy. Niainga tany amin’ny ben’ny tanàna, izay nilazany, fa omena môtô tsirairay izy ireo. Tonga tokoa ny môtô, ary efa (...)
  • Grad Iloafo

    Tsy manaiky ny korontana

    mardi 6 janvier 2009 | Naivo kely |  803 visites
    “Mahavita azy i Ravalomanana. Izay no antony nanohananay azy hatramin’izay. Hita ary azo tsapain-tanana ny ezaka vitany nandritra izay nitondrany ny firenena izay, ary porofon’io ny fiakaran’ny harin-karena 7,1%.Mbola hiakatra 7,5% izany harin-karena izany amin’ity taona ity, ka izay no tokony hitandrovana ny tsy hisian’ny korontana eto amintsika”. Io no nambaran’ny filoha mpanorina ny antoko Grad Iloafo, Tovonanahary Rabetsitonta. Tsy isaky ny folo taona, dia hiseho hatrany ny korontana eto (...)
  • Mpiasam-panjakana

    Ho tafiditra amin’ny vovo politika ve ?

    mercredi 31 décembre 2008 | Naivo kely |  822 visites
    Asa na fifandrifian-javatra, na efa tetika nokotrehina ela, fa milaza hanao ny fitakiana ihany koa ny mpiasam-panjakana amin'ny taona ho avy io. Fitakiana ara-tsosialy, araky ny nambaran'izy ireo. Ny alatsinainy teo no nisy andiana mpiasa nivory izay nametraka ny fijoroan'ny komity miaro ny tombontsoan'ny mpiasam-panjakana. Aoka apetraka amin'ny toerana sahaza azy ny mpiasam-panjakana, ary atao mifanahatsahana amin'ny zava-misy ankehitriny ireo tombontsoa omena ny mpiasa. Voalaza fa ny (...)
  • Raikitra ny ady an-trano

    mercredi 31 décembre 2008 | Naivo kely |  1171 visites
    Tsy mbola azo ny mofo mamy, dia efa raikitra ny fifanjevoana eo amin'ny mpanohitra. Samy te-ho lohany avokoa izy rehetra. Tsy takona afenina intsony io korontana ao anatin'ny samy mpanohitra io, ary tsy ho gaga isika raha toa ka samy maka ho azy hatrany izy ireo rehefa tonga ny fifidianana. Mpanao politika fanta-daza eto amin'ny firenena no naneho ny heviny omaly, izay miara-dia ao anatin'ny mpanohitra. Andro vitsy monja izay, raha nanao fivoriana hitambara izy ireo, dia efa nailika tsy ho (...)
  • Madarail

    Mitohy ny fitakian’ny mpiasa

    mardi 30 décembre 2008 | Naivo kely |  712 visites
    Zo sendikaly, fa tsy hetsika politika. Io no fototry ny fitakiana ataon'ireo mpiasa tao amin'ny Madarail, niala an-tsitrapo nanomboka ny taona 2003. Be ireo voalaza fa tsy mbola nahazo ny tombontsoa tokony ho azo tamin'izany, amin'isika manoratra izao. Io no nambaran'ingahy Jakoba Andriamiharivolamena, izay isan'ny tompon'andraikitra tao amin'ity Madarail ity teo aloha. Tsy mitovy ny vola nomena ny mpiasa, na dia samy niala an-tsitrapo aza. Misy ny nomena hatrany amin'ny Ar 20 tapitrisa, (...)
  • Vanja

    mardi 30 décembre 2008 | Naivo kely |  542 visites
    Hivalona afaka andro vitsy ny taona. Samy mifantoka any amin'ny taona ho avy ny mason'ny olona manana aina rehetra. Izay ahadinganana ity taona 2008 ity no tanjona, satria zava-dehibe amin'ny Malagasy izany nadingana taona iray izany. Taona hitondra inona ho an'ny vahoaka malagasy io taona hitsidika io ? Izay no mby tonga ao an-tsain'ny maro. Ny akaiky indrindra, dia ilay fepetra takian'ny mpanohitra eto amintsika momba ny hamahana ireo olana takian'izy ireo hatramin'ny 13 janoary izao. (...)
  • FCD

    Ny vahoaka no tompon’ny hetsika farany

    mardi 30 décembre 2008 | Naivo kely |  844 visites
    Tsy hanongam-panjakana izahay, fa mitaky ny hampiharana ny demokrasia eto amintsika. Tsy azo ekena ihany koa ny jadona izay tadiavin'ny adian'olona apetraka eto. Io no nambaran'ny FCD, na ny herim-panovana ho amin'ny demokarsia, tarihan'ingahy Alain Ramaroson. Nametraka ny fitsipika tokony ho hajain'ny rehetra ity FCD ity, ary nozaraina eny anivon'ny fiaraha-monina. Misy andininy hatrany amin'ny 11 no voasoratra ao, ary izay vonona ny hanaja ny zon'olombelona sy ny tena hampiarana ny (...)
  • Solika vita gasy

    lundi 29 décembre 2008 | Naivo kely |  935 visites
    Mihazakazaka ny mpandraharaha vahiny hidrandraka ny harena eto Madagsikara. Tsy asiana resabe amin'izany intsony ity mitranga ao Ambatovy sy any Tolagnaro ity. Harena tsy hita pesipesenina no ahondrana any ivelany, izay tsapa fa kely sy bitika ny mba tombontsoa tafajanona ho an'ny Malagasy. Miditra amin'ny fitrandrahana ny solika any Tsimiroro sy Bemolanga ihany koa ny vahiny ankehitriny. Voalaza fa solika 25000 litatra isan'andro aloha hatramin'izao no efa azo ao Tsimiroro iny, fa (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS