Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h14
 

Teny zato, kabary arivo

Ny vola misy, fa ny…

mercredi 7 janvier 2009 | Naivo kely

Tena lafatra. Io no azo ilazana ny fiaramanidin’ny filoha Ravalomanana, ny “Force One” vaovao. Ny vahoaka Malagasy aloha no ho teteziko amin’ity, izay vao ny firenen-kafa. Io no fandresen-dahatra nataon’ny filoha ny vahoaka, mba tsy hanome tsiny azy amin’ny fividianana ity firamanidina lafo vidy ity.
Efa miakatra tokoa ny harin-karena matoa mahavidy fitaovana toy izao isika, hoy ny olona, satria tsy tao anatin’ny fotoana fohy no nilazan’ny filoha Ravalomanana fa tsy maharaka ny diany ilay “Force One” teo aloha, ka io nosoloiny tao anatin’ny fotoana fohy io.

Sambatra izy, hoy ny mpitazana, satria raitra ilay fiaramanidina ho entiny mitety izao tontolo izao. Isika vahoaka aza ity, zara raha afaka mandeha bus, satria efa mila tsy ho takatra intsony ny ny saran-dàlana.

“Mila maharaka ny toetrandro raha te-handroso”, hoy ny filoha, “ary hanaovana asa ho an’ny tanindrazana ity fiaramanidina ity, fa tsy ho entina hitsangatsangana”. Firenena iza tokoa no afaka hifaninana amin’ny hafa raha toa ka tsy zarizary ny ampinga ho entina miatrika ny fianana an-davanandro. Tsy mba afaka ny hanana zavatra tsara tokoa ve isika, hoy ny mpandalo hafa, no andeha ahihitra lava izao ? Mendrika ny hanana fitaovana raitra toy ity Force One 737-700 ity isika, ary mba manantena ihany koa ny maro mba ho raitra tahaka izany ny vokatra azo amin’ny asa izay atao aminy. “Ny vola tokoa misy fa ny ampiasaina azy no manahirana”, hoy ny filoha taona maro lasa izay, saingy mba mba hanao ahoana ihany koa re ny mety ho fandaniana isaky ny mivoaka mitety firenena amin’izy ity e ? Sa ny vokatra azo no hifampitsarana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS