Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 7 mai 2024
Antananarivo | 02h47
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Milamina anaty korontana

    lundi 14 mai 2007 | Naivo kely |  154 visites
    Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka tokoa ny rehetra ka ny mpitazana sisa no mitsara na marina ilay fiarovan-tena na tsia. Eo amin'ny manam-pahefana maro isan-karazany eto amintsika sy ny mpanohitra no tiana hambara, izay niainga tamin'ny hetsiky ny mpianatra manerana ny faritra maro, ka nidiran'ny mpanao politika isan-karazany. Velona ny fisamborana, ary tao ny nampidirina am-ponja, ka tsy nasiana fanavahana na olom-boafidy io na mpianatra na ihany koa olon-tsotra manararaotra mandroba (...)
  • Vay tsy vaky

    samedi 12 mai 2007 | Naivo kely |  172 visites
    Roahina ny frantsay fa ampidirina ny Alemaina, io no maresaka teny ambavan’ny maro omaly raha nahita tamin’ny haino aman-jery fa noroahina hiala ao anatin’ny 48 ora ilay pretra niasa teto nandritra ny 36 taona. Dia ahoana koa hoy ny Katolika manoloana io izay efa hita ihany fa vay tsy vaky eo amin’ny fanjakana sy ity antokom-pivavahana ity, izay hita fa misy fanoherana matetika teo amin’ny roa tonta toy ny kiana momba ny firosoana tamin’ny lalampanorenana farany teo, ary koa nanameloka ny (...)
  • Fihetsehan’ny mpianatra any Antsiranana

    Voasambotra ny telo, hitohy anio ny filaharana

    vendredi 11 mai 2007 | Naivo kely |  172 visites
    Tsy ahitana filaminana mihitsy ny ao Antsiranana ao satria mpianatra telo indray no voasambotry ny mpitandro ny filaminana omaly maraina. Niainga tao amin’ny Oniversite tao Antsiranana ny laharan’ny mpianatra ary nihazo ny toerana misy ny Lycée Zafy Albert ry zareo mba handrava ny tao amin’ity toeram-pianarana ity. Teo no nisian’ny fifanjevoana satria noraran’ny mpitandro ny filaminana teo anivon’ny EMMO NAT ny filaharana. vokany dia io mpianatra miisa telo io no voasambotra. Rava niaraka (...)
  • Iray tokoa ve isika ?

    jeudi 10 mai 2007 | Naivo kely |  142 visites
    Nandritra ny fanehoan-kevitr’Atoa Herizo Razafimahaleo teo amin’ny fahita lavitra iray eto an-drenivohitra tamin’ity herinandro ity dia « fanimbana ny tantara sy ny saim-bahoaka ny filazana matetika fa iray ihany isika Malagasy ». Naneho ihany koa ity Kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo iny fa ny fanaovana politika teto Madagasikara hatrizay mihitsy no mahatonga ny olona tsy mahafantatra marina ny hevitry ny politika. Rehefa misy ihany koa hoy izy, olona na antokon’olona mila (...)
  • Fikambanana « Tambatra »

    Hanao fivoriambe

    jeudi 10 mai 2007 | Naivo kely |  176 visites
    Hanao fivoriambe eto Antananarivo amin’ny sabotsy ho avy izao ny fikambanana « Tambatra » manerana ny Nosy. Fivoriambe voalohany ity hatao ity taorian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika tamin’ny faran’ny taona 2006 iny. Misy ifandraisany amin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta farany teo nandritra ny filan-keviny amin’ny fanambazana volabe Ariary 100 tapitrisa amin’ireo izay ahazoana vaovao ahafahana misambotra an’Atoa Pety Rakotoniaina izay filohan’ity fikambanana ity sy mpanorina ihany koa no (...)
  • Fitondrana Tetezamita ?

    mercredi 9 mai 2007 | Naivo kely |  422 visites
    Taona 2005, nitaky ny hananganana fitondrana Tetezamita ny fikaonan-doham-pirenena nomanin’ny 3FN tetsy Andoharanofotsy. Very an-javony teny ny fitakiana. Niroso hatrany ny mpitondra, koa dingana roa lehibe izao no vitany tao anatin’ny 4 volana monja. Desambra 2006, vita ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Aprily 2007, vita ny fitsapan-kevi-bahoaka hoentina nanovana andininy maro teo amin’ny lalam-panorenana. 28 andro tao aorian’io, lany tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 75% ny vato (...)
  • Semban-drahona !

    mardi 8 mai 2007 | Naivo kely |  162 visites
    Lany tamin'ny 53% ny vato manan-kery ho filoha frantsay mandritra ny 5 taona, Atoa Nicolas Sarkozy izay kandidan'ny antoko ankavanana UMP. Vao nivoaka ny isam-bato voalohany tamin'ny 8 ora alina (ora any Frantsa) dia tsy niandry ela akory Rtoa Ségolène Royal, kandidan'ny antoko sosialista, hery ankavia, niarahaba ny vahoaka frantsay sy ny mpifaninana taminy. Midika tsotra izany fa nanaiky ny voka-pifidianana avy hatrany ny tenany. Nanjaka ny demokrasia. Seho efa mety mahazatra izany any (...)
  • Mpianatra ho dokotera

    « Politika famonoana afo »

    mardi 8 mai 2007 | Naivo kely |  168 visites
    Namoaka fanambarana tamin'ny faha 5 mey teo ny minisitra roa dia ny fahasalamana sy ny fampianarana nilaza fa miatomboka anio ny fandoavana ny « indemnité de stages hospitaliers » ho an'ny mpianatra ho dokotera eny Ankatso. « Indemnités » tamin'ny taona 2006 io aloa anio io. Izao no azo dia vokatry ny fihatrehina fanairana nataon'ireo mpianatra ho dokotera tamin'iny herinandro iny. Mihetsika mitaky izay anjara « Indemnités » izay tokoa ireto mpianatra ireto vao gaga ny maro, hay mbola tsy voaloa (...)
  • Ampiharo ny lalàna

    lundi 7 mai 2007 | Naivo kely |  259 visites
    Vita iny ny fitsapan-kevi-bahoaka, izay nambara fa lany tamin'ny isam-bato mavesatra raha mitaha amin'ny TSIA mpifaninana amin'ny ENY. Raha vao mivoaka amin'ny haino aman-jery izy ity dia manan-kery avy hatrany fa tsy miandry izay avoakan'ny gazetim-panjakana toy ny mahazatra hatramin'izay. Hatreto anefa dia toa misy ny azo hampiharina miaraka amin’ny vava sy ny tsy azo atao. Isan'io hoy ny mpanohitra ny fisamborana ireo depiote tsy ao anatin'ny fotoam-pivoriana toy ny tany Toliary ka (...)
  • Aiza ny FFKM ?

    samedi 5 mai 2007 | Naivo kely |  271 visites
    Io no fanontaniana mipetraka ao ambavan’ny maro raha mahita ny hetsiky ny vahoaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara, satria toa tsy misy ray aman-dreny mpiahy intsony ny mety ho fisaraham-bazana eo amin’ny samy Malagasy. Ny poizina handripaka ny mpiray tanindrazana no efa manomboka miparitaka, dia io adim-poko io nefa na manao izay ho afany aza ny mpitondra fanjakana izay ray aman-dreny mpiahy ny Malagasy tsy ankanavaka, dia io hiarahana mahita io ny vokany. Manomboka miakatra any (...)
  • 1995 - 1996 - 1997 no tena nisy ny fahalalahana

    vendredi 4 mai 2007 | Naivo kely |  219 visites
    17 taona tokoa izay, no nankalazaina ny andron’ny 3 may, andro iraisam-pirenena ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eran-tany, ary tsy vao ela isika eto Madagasikara no nanamarika izany indrindra moa ireo mpanao gazety Zokiolona, izay mihetsiketsika fatratra tokoa manao izay ho afany amin’izany fankalazana izany manaitra ihany koa ny tompon’andraiki-panjakana amin’ny fahitan’izy ireo ny fihemoran’iny fahalalahan’ny mpanao gazety Malagasy. Nandritra ny fankalazana omaly tetsy amin’ny (...)
  • Mipoitra ny nafenina

    jeudi 3 mai 2007 | Naivo kely |  204 visites
    Raha tsorina dia ny resaka JIRAMA no fototr’olana eo amin’ireo fihetsiketsehana tarihin’ny mpianatra any amin’ny renivohi-paritra vitsivitsy eto amin’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Efa nanambara moa ny tompon’andraiki-panjakana efa an-taona maro fa sarotra tokoa ny nanarina ity orin’asa JIRAMA ity vokatry ny atan-drevaka nandritra ny taona maro tamin’ny fitantanana ity orinasa ity. Ekena tokoa izany saingy tokony hasongadina ny fahaiza-manao ankehitriny eo amin’ireo mpitondra fanjakana fa voafehy (...)
  • Fihetsiketsehana

    Tsy vahaolana ny fisamborana

    jeudi 3 mai 2007 | Naivo kely |  179 visites
    Maro ireo ankolafin-kery sy olona ankehitriny no miantso fifampidinihana manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. « Tsy vahaolana ny fisamborana », hoy ny fanambarana heno avy amin’ny maro. Tsy vitsy ihany koa ireo maneho hevitra fa vao maika maha-sarotra ny toe-draharaha ny fampiasana herisetra na avy amin’ny andaniny na ny ankilany izany. Tsy tokony ho hamavainina velively ny fitakiana ataon’ireo mpianatra hoy ireo parlementera maromaro nandritra ny fisokafan’ny fotoam-pivorian’izy (...)
  • Very fihinanana

    mercredi 2 mai 2007 | Naivo kely |  243 visites
    Nahavariana ny maro ny nahita ireto depiote avy amin'ny lafy valon'ny Nosy tonga maro be teny Tsimbazaza omaly niatrika ny fotoam-pivoriana voalohany tamin'ity taona ity. Nahagaga hoy izahay satria toerana babangoana hatrany no hita hatramin'izay nandritra ny fotoam-pivoriana tao an-dapa, ka velona ny fanontaniana hoe fa nisy inona no namaly ny antso avokoa ny rehetra ? Tsotra ny valiny, satria ity no fotoana farany hiakaran'ireo depiote ao amin'io lapa io, noho ny fahataperan'ny fotoana (...)
  • Mara Niarisy

    « Miditra amin’ny jadona ny fitondrana »

    mercredi 2 mai 2007 | Naivo kely |  215 visites
    Diso tanteraka ny fitondrana raha manambara fa miketrika adim-poko izahay mpanohitra raha hilaza ny zava-nisy tany Toliara ka nahatonga ny fisamborana ireo namanay nampidirina am-ponja.Ireo no nambaran’ny dépiote Mara Niarisy. Manazava izy : « matoa midina andalam-be tahaka iao ny vahoaka dia misy zavatra tsy zakany ao, toy ny delestazy, sy ny fanoherana ny vokam-pifidianana. Tokony hisy aloha ny fandraisana ny hevitry ny rehetra hoe inona marina no mahatonga izao hetsika andalam-be izao ? Tsy (...)
  • Tsy hita fiafarana

    lundi 30 avril 2007 | Naivo kely |  204 visites
    Mbola mitana ny sain'ny mpanara-baovao maro ny momba ny filazana fa saika hisy hamono ny filoham-pirenena ny 3 April lasa teo ary efa tratra ireo saika nahavanon-doza. Voalaza fa mpitandro ny filaminana avokoa izy ireo hoy ny resaka mandeha. Resaka mandeha hoy izahay satria tsy naseho vahoaka toy ny nitranga teny amin'ny FLM teny Ambohibao toy ny nahazo an'i Yvan ity resaka ity. Aleo ny fitsarana hanao ny famotorana hoy ny Praiministra raha nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny (...)
  • Delestazy ao Toliary

    Tonga omaly ireo fitaovana matanjaka

    lundi 30 avril 2007 | Naivo kely |  236 visites
    Omaly alahady no nigadona tao Toliary ny milina manome herinaratra mahatratra 850 MW hanome herinaratra any an-toerana, ary mbola hisy masinina hafa ihany koa hanaraka ato afara miaraka amin'ny kojakoja samy hafa hanampy ireo. Io no nambaran'ny ministry ny Angovo Patrick Ramiaramanana manoloana ny fahasimban'ny fitaovan'ny Jirama ao Toliary. Fahavoazana ara-teknika no mitranga any amin'ity faritany ity ka tsy maintsy vaha-olana ara-teknika no atao, ary ho vahana haingana ny olana. Efa any (...)
  • Vita mora

    samedi 28 avril 2007 | Naivo kely |  190 visites
    Tsy nahataitra firy ny maro ny nandre ny voka-pifidianana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka omaly, satria tsy nisy fiovana firy tamin’ny vokatra tetsy amin’ny ministeran’ny ati-tany izy io. Nandresy tamin’ny isan-jato 75,83% ny Eny ary ny Tsia kosa tsy nisy afa-tsy 24,67%. Na dia maro aza ny fitarainan’ny olona fa misy ny hosoka isaky ny birao fandatsaham-bato, dia vitsy ny porofo sy fitarainana an-tsoratra tonga teny amin’ny HCC, ka ny fepetra izay mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery no tsy (...)

0 | ... | 480 | 500 | 520 | 540 | 560 | 580 | 600 | 620 | 640 | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS