Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 13h05
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Mitsipaka an-dRavalo ny Teza

    Saingy mbola mialokaloka i Moxe

    mardi 30 octobre 2007 | Naivo kely |  1050 visites
    Ny fiainam-pirenena tsy hananankavana, ary izay voasoratra aoka tsy ho dikaina. Io no fanambarana nataon’ingahy Moxe Ramandimbilahitra izay mpanolon-tsaina manokan’i Filoha Ravalomanana raha nivahiny tao amin’ny fandaharan’i Aceem Radio ny alahady lasa teo. Efa ela no nametrahan’ity antoko ity ny tsy tokony hanomezana fiara 4X4 ny solombavam-bahoaka, izay miteraka fandaniana eo amin’ny kitampom-polam-panjakana. Ny filohan’ny Repoblika kosa anefa dia manana ny fahefana feno amin’ny heveriny (...)
  • Fanovana hafahafa

    mardi 30 octobre 2007 | Naivo kely |  707 visites
    Ny fanovana ny Governemanta no vita fa ny resaky ny mpitazana tsy azo ahilika. Fanantenana goavana no handrandraina amin’ity indray mitoraka ity, izay noventesin’ny filoham-pirenena tompon’ny teny farany fa iraka manokana no handrasana amin’ity andrim-panjakana vaovao ity. Raha ny firafitra aloha dia olona mahatoky ny filoha avokoa ireo nomena toerana ireo, ary tsy ilaina intsony ny marimaritra iraisana tsy nahitana vokatsoa toy ny fahita hatramin’izay fa ny baolina maty no hifampitsarana. Tsy (...)
  • May volo tratra

    samedi 27 octobre 2007 | Naivo kely |  672 visites
    Hiseho avokoa ny ratsy rehetra eny ambany tanàna amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao, izay faritra heverina fa mitondra ny mangidy indrindra na io fahavaratra na ihany koa lohataona noho ny fahantrana mianjady amin’ny mponina eny. Trano tsizarizary, ny rano maloto miakatra hatrany an-trano rehefa milatsaka ny orana, ny lava-piringazara raha misy hanaovana maloto, ary mbola faritra ahitana ny totankely maro samy hafa ihany koa. Hiroso tsy ho ela amin’ny fampielezan-kevitra isika eto (...)
  • Tafakatra ny avo

    vendredi 26 octobre 2007 | Naivo kely |  647 visites
    Raha mbola variana amin’ny zava-misy politika toy ny eny Tsimbazaza sy ny mety ho fiovan’ny Governemanta ny sain’ny mpanara-baovao rehetra, dia misoko mangina kosa ny vidin’ny vary eny an-tsena rehetra eny. Tafakatra hatrany amin’ny 20% izy io, ary tsy takona afenina koa ny zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavan’andro(PPN). Ny vidin-jiro dia hiakatra hatrany amin’ny 15% amin’ny faktioran’ny Jirama, izay mihatra avy hatrany amin’ity volana ity, izay hisy fiantraikany amin’ny ati-paosin’ny (...)
  • Misy tokin’aina ny 4X4

    jeudi 25 octobre 2007 | Naivo kely |  771 visites
    Velom-bolo ny ankamaroan’ny depiote maro teny Tsimbazaza raha nandre ilay tenin’ny filoha Ravalomanana tany Mandoto omaly izay nilaza fa hanome fiara 4X4 ny depiote voafidy tao amin’io faritra io ny tenany mba ahafahan’io olom-boafidy miasa tsara. Tsy mitsipaka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Governemanta ho nandrara ny fanomezana 4X4 aho, hoy ny filoha fa azo atao tsara ny mijery fitaovana ho an’ny hafa. Hatreto dia maro ny ao Tsimbazaza no velom-bola ny ahazoana fiara sy tombotsoa (...)
  • Otrikafon-dRajaonah

    Kivy amin’ny fiverenan’i Sylla

    jeudi 25 octobre 2007 | Naivo kely |  914 visites
    Gaga sady nalahelo izahay « Otrikafo » raha nahita fa tafaverina eo amin’ny fitondrana i Sylla hoy ny filoha mpitarika ity fikambanana ity dia ingahy Rajaonah izany. Inona no fifanarahana vitantsika tamin’i La Frantsa no tsy maintsy hapetraka hitantanana ny fiainam-pirenena ny zanany ? Toa tsy voahaja ny fiandrianam-pirenena raha izao no hita satria mbola mandidy eto ny Frantsay. Nasian’ity fikambanana ity resaka tamin’io fihaonany tamin’ny mpanao gazety io omaly ny momba ny tsy nankatoavan’ny (...)
  • Nankaiza ny manam-panahy ?

    mercredi 24 octobre 2007 | Naivo kely |  800 visites
    Gina tsy nahaloam-peo ny maro raha nandre omaly fa depiote 123 amin’ny 124 no nanome ny fitokisany ho an’ny Praiministra teo aloha hitondra mandritra ny 4 taona ny Antenimieram-pirenena etsy Tsimbazaza. Ny nanesorana azy tsy ho Praiministra intsony ve efa nomanina ny tetika fa hafindra ho filohan’ny Antenimiera sa tsy misy olo-manga afaka hitondra io sehatra io tao amin’i TIM ? Fa nankaiza ny manam-panahy rehetra no tsy sahy mitana andraikitra goavana eo amin’ny fiainam-pirenena ? Vita iny ny (...)
  • Tonta no avadibadika

    Hitondra inona i Sylla ?

    mercredi 24 octobre 2007 | Naivo kely |  705 visites
    Nanjakan’ny fotokevitry ny TIM tanteraka ny lapan’ny Antenimieram-pirenena, satria na ireo heverina mba hany tsy miankina hampifandanja ny ady hevitra ao an-dapa aza nanara-drenirano tanteraka. Tsy nisy sahy nilatsaka hifanandrina amin’ingahy Sylla ireo akanga sisa nanamborana tafiditra ao Tsimbazaza, ka ny fanohanana ny olona natolotry ny TIM indray no nafotaka. Misy amin’ny antoko mpanohitra anefa ireo depiote lany ireo, saingy tsy sahy nanome endrika ho mpifaninana na dia mihevitra aza fa (...)
  • Fivorian’ny Antenimiera

    Hilahatra ny mpiasa

    mardi 23 octobre 2007 | Naivo kely |  788 visites
    Voaangona ny sonia amin’arivony nataon’ny mpiasa malagasy ho fanoherana ilay fampitomboana ilay 48 ora isan-kerinandro. Nahena ihany ho 15 andro ihany koa ilay 30 andro ho fialan-tsasatry ny mpiasa isan-taona. Io no tsy eken’ny rehetra, izay zo fototra hananan’ny mpiasa malagasy ny mahazo fialan-tsasatra araky ny tokony ho izy. Ny karama tsy miakatra ny vidim-piainana io hiarahana mahita io, kanefa toa teren-komasaka toa voalobo-java ilay ora hiasana. Hiainga etsy amin’ny Fisemare Ankadifotsy (...)
  • Ho lasan’i Yvan ny filoha ?

    mardi 23 octobre 2007 | Naivo kely |  946 visites
    Anarana roa no be mpiresaka ho filohan’ny Antenimieram-pirenena atsy ho atsy, izay heverina fa olona mendrika hitondra ity andrim-panjakana iray, dia eo ny filohan’io teo aloha Mahafaritsy Samüel, izay nahafehy tsara ireo depiote teo ambany fitantanany, ka nahafahan’ny rehetra naneho ny heviny tao amin’io lapa io. Ny faharoa dia ny filohan’i TIM, Yvan Randriasandratriniony izay heverin’ny rehetra fa amin’ny maha-filohan’i TIM azy, izay maro an’isa eny Tsimbazaza, dia rariny raha apetraka aminy io (...)
  • Tsy manaiky resy

    lundi 22 octobre 2007 | Naivo kely |  656 visites
    Hentitra ny fiombonamben’ny mpanohitra omaly nanamafy ireo fitakiany hatramin’izay, dia ny fanovana ny lalàm-pifidianana, sy ny fanaovana ny bileta tokana ary ny fametrahana ny fifidianana ho tantanin’ny tsy miankina. Raha mbola mizirizy amin’ny heviny anefa ny mpitondra eto amintsika dia tsy handray anjara amin’ny fifidianana izay hatao amin’ny 12 desambra izao ity fiombonamben’ny mpanohitra ity. Misy arak’io ny fe-potoana omeny ny fitondrana ankehitriny hamaliany izao fitakiana izao hatramin’ny (...)
  • Mora manadino

    samedi 20 octobre 2007 | Naivo kely |  675 visites
    Dia ho sanatria ve anaran-tsy very sisa ireo olona nitana andraikitra lehibe teto amin’ny firenena na teo amin’ny lafiny ara-toe-karena na sosialy, indrindra ny lafiny politika no zary hadinon’ny maro ny antson’izy ireny ? Iza no tsy nikolay fa miha-mafy andro aman’alina ny vidim-piainana, ary misy ny tsy fahaizana mitantana eto, ka nanaovan’izy ireo antso avo tamin’ny fiaraha-monina ny mba hiraisana hina hiara-mitady vahaolana, saingy toy ny rano araraka an-damosin-gana avokoa ireo ? Notaomina (...)
  • Fay ny mpanohitra

    vendredi 19 octobre 2007 | Naivo kely |  887 visites
    Tsy hay intsony na lany stratejia na lany vola, na ihany koa mahatsapa fa naloam-bahoaka ny mpanohitra, fa dia nilaza ny fikambanan’izy ireo izay mpivory matetika etsy amin’ny Hotely Soimanga Manakambahiny, fa tsy handray anjara intsony amin’ny fifidiana izay ho atao eto. Didy jadona, fanamparam-pahefana miampy hala-bato no voalaza fa aton’io. Resy tsy miady tanteraka, izay no fomba entin’ny mpanohitra manao ny politikany, satria raha nanao toy izany avokoa ny olona tsy teo amin’ny fitondrana (...)
  • Aiza ny Bianco ?

    jeudi 18 octobre 2007 | Naivo kely |  894 visites
    Tsy nandrenesana tatitra intsony ny birao mahaleon-tena miady amin’ny kolikoly tao ho ao, izay làlana iray ahafahan’ny vahoaka mitazana ny tena olona amin’ny mety ho mpangoron-karena eto amintsika. Andraikitra goavana no napetraky ny fanjakana amin’io sehatra io, ary ilaina valiny haingana ny momba ireo depiote noesorina tamin’ny toerany. Ohatrinona ny volany sy ny fanany raha niakatra teo amin’ny fitondrana ry zareo ? Mby hatraiza kosa raha voahaisotra amin’ny toerany ireto olona ireto ? Nandeha (...)
  • Potika ny fototra

    mercredi 17 octobre 2007 | Naivo kely |  1191 visites
    Potika tanteraka ny haja amam-bonihatry ny mpanao politika nandritra ity fitondran’ny filoha Ravalomanana ity, satria tanterany avokoa ny zava-drehetra nampanantenainy tamin’ny fotoan’androny, raha vao hiakatra ny fitondrany izy. Inona ireo? Tsy nankasitrahany firy ny mpanao politika, ary iza no tsy nahatsiaro ilay hafatra fony vao nandray ny fahefana izy, fa tsy manana fifanaraha manokana amin’ny mpanao politika ny tenany ? Mbola niampy ilay teny tsy hay kosehina ao an-tsain’ny maro manao hoe (...)
  • Izay voa manodidina

    mardi 16 octobre 2007 | Naivo kely |  736 visites
    Fihemorana any anaty lavaka ny fifanonganana an-dalambe, ka samy mahatsapa ny rehetra fa ny fifidianana ihany no vaha-olana handraisana fahefana. Na dia tsy nisy fivoriana niraisana aza teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, dia tsapa fa ireo no hevitra mivoaka ny vavan’ny mpanao politika mbola te-handala ny demokrasia. Zava-droa loha no azo handikana io hevitra io, ka raha aty amin’ny mpanohitra dia eo aloha ny fatahorana ny higadra amin’ny fanangonana olona an-dalambe toy ny nahazo an’i Victor (...)
  • Matevina fa manify

    lundi 15 octobre 2007 | Naivo kely |  674 visites
    Inona intsony no sakana tsy ahafahana mampandroso ny tany sy ny firenena? Io no mby ao antsain’ny maro raha mahita ireto depiote TIM mahatratra 106 nibata ny fandresena ary hianoka ny amboara maha-solombavam-bahoaka manomboka izao. Voahilika avokoa ireo antoko mpanohitra rehetra teo aloha ka zara raha nahitana antoko politika roa dia ny « Liaraiky » sy ny « Leader Fanilo » irery sisa hany mba manome endrika ny lapa satria dia saika tsy miankina avokoa ireo ambiny tafita teo anoloan’ny (...)
  • Izay vandana dia kary

    samedi 13 octobre 2007 | Naivo kely |  739 visites
    Antoko tsy nisomonga teo amin’ny mpikambana nisy azy ny antoko Tiako I Madagasikara nandritra izay fotoana nijoroany teto Madagasikara izay, ary tsy nananany havany ho an’ireo tsy nahomby amin’ny sehatry ny fitantanana ny antoko, na ny andraikitra izay nosahaniny. Hita taratra io teo amin’ny filoha nitarika ity hatramin’izay fony ingahy Raharinaivo Randrianatoandro no nitondra ny TIM. Nosoloina an’dRazoharimihaja io ingahy io, ary tato afara dia izao lasan’i Yvan Randriasandritriniony indray ny (...)
  • Famindram-pahefan’i TIM

    Voasazy ireo nanala-baraka

    samedi 13 octobre 2007 | Naivo kely |  766 visites
    Teo anatrehan’ny solotenan’ny mpikambana TIM avy amin’ny lafy valon’ny nosy no nanaovana ny famindram-pahefana teo amin’i Razoarimihaja Solofonantenaina filohan’ny TIM teo aloha sy ny filoha vaovao Ivan Randriasandratriniony hitondra ny fanevan’ny antoko. Ity minisitry ity izany no voahositra hanome aina vao ny TIM, ary hametraka ireo rafitra ao anatiny mbola tsy tafampetraka, izay miainga amin’ny kongresy nasionaly. Io omaly io dia nisy ny fandroahana mpikambana izay heverina fa nandoto ny (...)
  • Hody fa tsy tamana

    vendredi 12 octobre 2007 | Naivo kely |  1946 visites
    Nizotra ampilaminana ny fiverenan’i Rossy teto antanindrazana, na dia maro aza no nanana ahiahy ny mety hiseho tamin’iny fasahiana niverina teto Madagasikara farany teo. Nahatsiaro ny tenany ho tsy nisy heloka vitany tamin’ny mpiray tanindrazana sy ny fireneny ny lehilahy, ary matoa tsy nanelingelina azy ny fanjakana, dia hita fa olona tsy meloka izy. Ireo Malagasy tany ivelany kosa taorian’iny, dia heno fa maro no manoratra amin’ny fianakaviany eto mba te-hody ampilaminana toan’i Rossy ry (...)

0 | ... | 440 | 460 | 480 | 500 | 520 | 540 | 560 | 580 | 600 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS