Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 14h38
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Fanongotana an-dRazoharimihaja

    Nitombina ny voalazan’ny CRTIM

    jeudi 11 octobre 2007 | Naivo kely |  845 visites
    Na ho inona fanazavana entin'ny TIM mba hanarotsaronana ny tsy nety tao anatin'ny antoko, dia tsy takona afenina intsony ny tsy fahombiazana tao matoa novana haingana ny filoha mpitarika izay tsy nandalo teo anoloan'ny kongresy nasionaly. Antoko izay heverina ho manana ny tanjany eto amintsika no indro fa ahitana taratra ny tsy fahombiazam-pitantanana, ka tsy mahagaga raha mbola tsy naha-tafapetraka ny Sekretera nasionaly taona maro aty afara. Miha-lefy ny risim-pon'ny mpikambana amin'ny (...)
  • Ben’ny tanàna hafa kely

    mercredi 10 octobre 2007 | Naivo kely |  1323 visites
    Resy tsy miady ny ankamaroan’ny mpanao politika hambara ho goavana amin’ny fotokevitra eto amin’ny tanàna raha vao mandre ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna amin’ny 12 desambra izao. Miondrika tanteraka eo anatrehan’ingahy PDS Hery Rafalimanana izy ireo, ka tsy sahy hiezaka hahavita bebe kokoa noho ny vitan’ity olona napetraka hitantanana ny tanàna ity rehefa nandao ny toerany ny ben’ny tanàna amperin’asa. Azy ny azy, fa tsy miemotra amin’izany kosa ny mpandraharaha izay hita fa tanora eto. Fantatra (...)
  • Misesika ihany

    mardi 9 octobre 2007 | Naivo kely |  607 visites
    Dia io nipoitra io indray ny daty hanaovana ny latsa-bato ho an’ireo te-handrobaka ny toeran’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina. Na mbola tsy nivoaka amin’ny fomba ofisialy aza ny vokatry ny latsa-bato natao farany teo, dia ny raharaham-pirenena tsy miandry ela. Naneho ny heviny ny fanjakana momba ny daty, ary tsy voaresaka firy ireo fitarainana nataon’ny maro ny tokony hijerena ifotony ny maha-vitsy ny olona mpifidy, indrindra ny momba ny lalàm-pifidianana. Io lalàm-pifidianana io no mampalaina (...)
  • Mangidy lasa mamy

    lundi 8 octobre 2007 | Naivo kely |  1014 visites
    Toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana intsony ireo nambara ho fijaliana niainana taloha, ka zary io indray no tsaroan’ny sasany ho modely ankehitriny. Mila fiovana ny Malagasy ka natao daholo ny fomba rehetra nandrendrehana ny mpitondra teo amin’izany fitondrana izany, ary nirohotra ny vahoaka mba tsy ho taran’ny fiovana izay tiana hapetraka. Nisy ny naratra, ary tsy vitsy ny maty sy very asa ary fananana, porofo nitohoka tamin’ny tenda ny raharaha 71 sy ny taona 91 nisian’ireny « diaben’ny (...)
  • TIM ao Tolagnaro

    Mitoroka ny fanjakana ve ?

    samedi 6 octobre 2007 | Naivo kely |  614 visites
    Diso fiantefa ny fitoriana nataon’ny komity manohana ny kandida Harifidy Ramilison, izay natolotry ny TIM tao amin’ny distrikan’i Taolagnaro, satria toa mitoroka ny fanjakana ho tsy nahavita ny adidiny ireto komity nirahan’ny kandida ireto, raha nihevitra fa ny kandida tsy miankina iray izay mitarika any an-toerana no hatao lasibatra. Ny tsy fahazoan’ny delegen’ny kandida taratasin-datsa-bato « PV » sy ny olana maro toa ny fanankianana ataon’ny mpanohitra ireo sefom-pokontany dia saika (...)
  • Lasan’ny Sinoa ny tanàna

    vendredi 5 octobre 2007 | Naivo kely |  1563 visites
    Raha mbola mihanahana amin’ny fandefasana ireo ampaham-bola nifanarahan’ny firenena Malagasy taminy ireo hambara ho mpamatsy vola mahazatra antsika toy ny FMI sy ny BM, dia misosoka mametraka ny fiaraha-miasa matotra kosa ny firenena hafa, toy ny ataon’ny Sinoa amintsika izao. Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta, izay tsy zoviana amin’ny maro ny asa nataon’ity firenena azo hambara fa isan’ny mpatanjaka eto amin’izao tontolo izao, toy ny fanamboarana làlana, Hotely goavana misy (...)
  • Be noho ny vitsy

    mercredi 3 octobre 2007 | Naivo kely |  762 visites
    Raha ny tombana ataon’ny mpitazana, dia mety ho lasan’ny antoko Tiako I Madagasikara avokoa ny toerana 120 amin’ireo 127 hiadiana etsy Tsimbazaza, izay heverina fa tsy mbola fahita eran-tany ny tahaka izao, na dia maro aza no mihevitra fa tokony hanjakan’ny maro an’isa ny sehatra toa itony, mba ahafahan’ny fitondrana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny MAP. Ny fifidianana no vita fa ny fitarainana sy ny fitoriana apetraka eny anivon’ny HCC kosa dia mitombo andro aman’alina, ka ireo rehetra (...)
  • Ambohimasoa

    Hitory ny TIM ny kandida dimy

    mercredi 3 octobre 2007 | Naivo kely |  641 visites
    « Feno hosoka sy kolikoly ny latsabato natao teto aminay, ary mitaky ny hanafoanana ny vokatra sy hamerenana iny fifidianana iny ny mponina eto Ambohimasoa. Tsy azo ekena ny fanamparam-pahefana toy izao ka tsy maintsy hametraka fitoriana izahay ». Ny « Justice et Paix » miampy ireo ray aman-dreny ampiangonana, sy ny solotenan’ny kandida dimy mpifaninana amin’ny TIM any amin’io distrika io, no namosaka ny olana rehetra nandritra iny fifidianana farany teo iny. Ireto ireo karazana hosoka niseho tany (...)
  • Didy hafahafa

    mardi 2 octobre 2007 | Naivo kely |  1388 visites
    Ora dimy tsy an-kiato no nandalovan’ingahy Pety Rakotoniaina teo anoloan’ny fitsarana omaly izay mahakasika ireo raharaha hiampanga azy momba ny fitazonana fiarakodiam-panjakana, ary nafindra amin’ny anaran’olon-kafa ireo fiara ireo.Tokony ho afaka madiodio aho raha tsy politika no entina hitsarana ahy, hoy ingahy Pety namarana ny fiarovan-tenany tao Anosy omaly, ary ny herinandro hitsidika io no fantatra fa hivoaka ny didy momba io raharaha io ary naverina etsy amin’ny fonjaben’Antanimora (...)
  • Loza mitatao

    samedi 29 septembre 2007 | Naivo kely |  788 visites
    Hipetraka ho tantara tsy azo kasihina na sarotsaronana intsony ny fahavitsian'ny mpifidy ny alahady teo, ary mbola sarotra ihany koa ny hinia hanadino na tsy hanoratra ny zavatra tahaka ireny. An'iza ny tsiny ? Fanontaniana zary hifanolanan'ny rehetra io amin'izao, ka ao ny manararaotra fa vokatry ny fihetsika ataon'ny mpitondra izay manararaom-pahefana mangoron-karena no mankaleo ny vahoaka, ary ny ankilany anefa dia sahy manome tsiny fa ny fanoherana be fahatany ataon'ny mpanohitra no (...)
  • Hiverina i Sylla

    vendredi 28 septembre 2007 | Naivo kely |  767 visites
    Ny toerana hifandimbiasana, ary izay mahandry tantanana tsy ho very anjara. Io no hifantohan'ny saina manoloana izay ho filohan'ny antenimieram-pirenena etsy Tsimbazaza. Mety hilaza ny sasany hoe ny vokatra aza tsy mivoaka ary tsy fantatra izay mandresy sy resy koa nahoana ny filohan'io andrim-panjakana io sahady no hanaovana kabaribe eto ? Mety hitombina izany, kanefa tsy azo atao ny tsy hijery lavitra fa ho varian'ny ambany maso lava izao. Mitarika ny kandida Jacques Sylla any amin'ny (...)
  • Tsara fa misaotra

    jeudi 27 septembre 2007 | Naivo kely |  400 visites
    Dia faly indray ny mpanara-maso vahiny, fa vita tsy nisy korontana ny fifidianana izay natao ny alahady lasa teo, ary isan'ny nahafaly ny teo anivon'ny fanjakana izany satria hanakoako any ivelany ny filazana fa tokony ho atao modely aty Afrika i Madagasikara. Toa nizotra tsy nisy olana tokoa ny latsa-bato ho an'ireo mpanara-maso vahiny, tamin'ny toerana izay nolalovany, satria tsy nahita ady na fifamonoana niteraka fahafatesan'olona izy ireo, fa vahoaka nandeha nandatsa-bato tao anatin'ny (...)
  • Olo-malaza very seza

    mercredi 26 septembre 2007 | Naivo kely |  8524 visites
    Mila olom-baovao tokoa ve ny vahoaka, sa ny fomba fanaovan’ny sasany politika no tsy zakan’ny vavony ka aleo manova ireo efa hita ny nataony ? Lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny antoko mpanohitra maro no hita fa lavon’ny vaton’ny mpifidy ny alahady 23 septembra teo, ka isan’io ingahy Lahiniriako Jean, Reboza Julien, Saina Michel, Pelops Ariane, Faharo Ratsimbalson, Rabesaiky Guillaume. Ampahany amin’ireo olona fanta-daza ireo amin’ny fanehoan-kevitra, saingy indrisy fa toa rendrika tsy ahazo ny (...)
  • Maty dia velona ?

    mardi 25 septembre 2007 | Naivo kely |  554 visites
    Dia maty tampoka indray ny masinina mikirakira atontan’isa tany Toamasina ny alahady alina teo, izay nampiteraka resabe toy ny nitranga nandritra ny fifidianana filoham-pirenena ny volana desambra lasa teo. Inona no dikan’iny fahatapahana teo amin’ny masinina iny? Nifantoka tany ny sain’ny mpanara-baovao maro satria toa niady ihany ny vokatra teo amin’ny samy mpifaninana tany Toamasina voalohany, ka tsy mahagaga raha lasa ratsy ny fisainan’ny mpitazana. Mino anefa isika fa mba ho lafiny (...)
  • Nandresy ny tsy nifidy

    lundi 24 septembre 2007 | Naivo kely |  308 visites
    Leo fifidianana ny vahoaka Malagasy, ka tsy rototra intsony amin’ny fanentanana atao azy ireo mba hanefa ny adidiny eto amin’ny tany sy ny firenena. Zara raha nananika ny 25% ny isan’ny olona tonga nifidy omaly tamin’ireo birao fandatsaham-bato nolalovanay rehetra, ary hita fa nangina ny toerana nanaovana izany latsa-bato izany. Niainga tamin’ireny fitsampa-kevi-bahoaka farany ny volana avril ireny, ka na dia nosarotsaromana aza ny isan’ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy, dia porofo mitohoka (...)
  • Vahoaka no tompon’ny teny farany

    samedi 22 septembre 2007 | Naivo kely |  243 visites
    Vita iny ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida isan’isany, izay handrobaka ny toerana 127 etsy Tsimbazaza amin’ny alahady ho avy izao. Samy nanao izay ho afany avokoa ny kandida sy ny mpanohana azy rehetra, ka tao no nivarom-pananana, nentina nanatanterahana ny Propagandy, nanaovana afisy sy ny bileta, ary tsy vitsy kosa ny niantohan’ny antoko nisy azy ny fanatontosana ireo rehetra ireo. Be ny vola lany amin’ny sehatra tahaka izao, kanefa tsy midika io, fa ho voavidim-bola ny olona, na ho (...)
  • Mpanohitra misaro-tava

    vendredi 21 septembre 2007 | Naivo kely |  290 visites
    « Lazao ny marina fa aza mialokaloka ao ambadiky ny zavona ». Teny izay miantefa any amin'ireo milaza fa tena mpanohitra eto amintsika ireo, ka mahafanina ny vahoaka ny angolam-pitifirana ny tsy fahombiazan'ny fitondrana amin'ny tarigetra izay tiany ho tratrarina. Ny fahoriam-bahoaka izay tsy mbola ahitam-panafana no atao litania isan'andro vaky ka ambara fa tsy mbola nisy tahaka ity hatrizay niainana. Tsy anjaranay no hitsara ireo mpanatanteraka, fa raha vonona ny haningotra ny fahefana eo (...)
  • Tsara sedra

    jeudi 20 septembre 2007 | Naivo kely |  200 visites
    Fito ireo minisitra milatsaka ho fidiana depiote eto amintsika, izay heverina fa vitsy ihany raha mitaha amin’ny isan’ny mpikambana ao anaty Governemanta. Vitsy satria samy milaza ho tena mahavita azy sy mamim-bahoaka avokoa ry zalahy sy zavavy ireo, indrindra fa samy nidera tena ampiakatra avo ny tanora mpanao fanatanjahan-tena tamin’ny lalaon’ny nosy teo ireny. Ny fifidianana tahaka izao no hisedrana ny fitiavan’ny olona ny minisitra sy ny asa vitany, koa deraina ny fasahian’ireo nilatsaka, (...)
  • Metropolis, asa miampita

    mardi 18 septembre 2007 | Naivo kely |  196 visites
    Nisokatra omaly teto an-drenivohitra ny Metropolis, izay handraisan’ireo firenena mahatratra 90 anjara ka misy mponina mihoatra ny 1tapitrisa ao amin’ilay tanàna. Tombony lehibe ho an’i Madagasikara izao fivoriana izao, satria hisy tetika azo hiaraha-miasa amin’ireo firenena vahiny ho mpiray ombon’antoka amin’ity renivohitra ity. Ny taona 2005 no nahazo ny amboaran’ity Metropolis ity ny tanànan’Antananarivo ka tany Berlin no nanolorana fony ben’ny tanàna ingahy Patrick Ramiaramanana. Mitohy ny ezaka (...)
  • Sedra goavana

    lundi 17 septembre 2007 | Naivo kely |  156 visites
    Ny alahady ho avy izao no fotoana hisedrana ireo sefom-pokontany eto amintsika izay nomena famporisihana goavana tamin'ny fanjakana ny hasahiany mandray andraikitra eo amin'ny fampandrosoana sy ny raharaham-bahoaka eo amin'ny fokontany misy azy. Sedra goavana, satria ho hita eo ny fahaizany mandritra ny lisim-pifidianana izay nampikolay ny olona hatramin'izay. Ny tsy handraisan'ireo baiko avy amin'ny olona tsy fantatra ka mety hiteraka fakam-panahy hanodina ny safidim-bahoaka, ka hiandany (...)

0 | ... | 460 | 480 | 500 | 520 | 540 | 560 | 580 | 600 | 620 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS