Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 08h18
 

Malagasy

Ambohimasoa

Hitory ny TIM ny kandida dimy

mercredi 3 octobre 2007 | Naivo kely

« Feno hosoka sy kolikoly ny latsabato natao teto aminay, ary mitaky ny hanafoanana ny vokatra sy hamerenana iny fifidianana iny ny mponina eto Ambohimasoa. Tsy azo ekena ny fanamparam-pahefana toy izao ka tsy maintsy hametraka fitoriana izahay ». Ny « Justice et Paix » miampy ireo ray aman-dreny ampiangonana, sy ny solotenan’ny kandida dimy mpifaninana amin’ny TIM any amin’io distrika io, no namosaka ny olana rehetra nandritra iny fifidianana farany teo iny. Ireto ireo karazana hosoka niseho tany Ambohimasoa izay kianin’ireo kandida mpifaninana, dia teo ny fanambazana vola 100.000 ar isaky ny sefom-pokontany, ary norahonana ho esorina amin’ny toerany raha tsy mahatratra 50% ny vato azon’ny kadidam-panjakana. Ny delegem-pifidianana tsy nomena ny PV, ny CRMV tsy navela hidiran’ny kandida na ny solotenan’ny kandida hanao ny fampitahana ny voka-bato azon’ny kandida isan’isany.

Ny birao fandatsaham-bato sasany dia tamin’ny 12 atoandro vao navela nidiran’ny delegen’ny kandida kanefa ny fifidianana nandeha ihany, ary tao ambanivohitry Isaka-Ambalafenonamboarina aza dia najanon’ny sefom-pokontany mihitsy ny fifidianana izay nasainy nihaino ny tatitry ny fivoriana izay natao teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha aloha, ary avy eo nambara fa « ny olona akaiky ny filoha Ravalomanana ihany no fidio », hoy izy. Ireo no isan’ny fandikan-dalana niseho tany amin’io kaominina io, ary anio no hametraka ny fitoriana eny amin’ny HCC ireo solotenam-pokonolona izay nanao tatitra tamin’ny mpanao gazety omaly.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS