Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 00h14
 

Malagasy

Fanongotana an-dRazoharimihaja

Nitombina ny voalazan’ny CRTIM

jeudi 11 octobre 2007 |  845 visites  | Naivo kely

Na ho inona fanazavana entin’ny TIM mba hanarotsaronana ny tsy nety tao anatin’ny antoko, dia tsy takona afenina intsony ny tsy fahombiazana tao matoa novana haingana ny filoha mpitarika izay tsy nandalo teo anoloan’ny kongresy nasionaly. Antoko izay heverina ho manana ny tanjany eto amintsika no indro fa ahitana taratra ny tsy fahombiazam-pitantanana, ka tsy mahagaga raha mbola tsy naha-tafapetraka ny Sekretera nasionaly taona maro aty afara. Miha-lefy ny risim-pon’ny mpikambana amin’ny sehatra maro, ka isan’io ny tsy fahatongavany nandatsa-bato nandritra ny fifidianana nifanesy. Nanjaka ny teny midina ka voailika tanteraka ny mpikambana ifotony, ary ireny niarahana nahita ireny ireo olona notendrena ho kandida isam-paritra. Niofo ny lokon’ny mpikambana, ka zary niditra ho tsy miankina ary mpifaninana mivantana amin’ny antoko izay nikelezany aina dia ny TIM izany. Ireny niarahana nahita ireny ny nataon’ny mpikambana maro izay tsy nihambahamba nanangana ny CRTIM izay ho fanomezan’aina ity antoko naorin’ny filoham-pirenena ity. Voahongotra tamin’ny toerany io i Razoharimihaja, ary natolotra an’ingahy minisitry ny Fanampariam-pahefana,Andriasandratriniony Yvan ny faneva. Rahampitso zoma etsy amin’ny Magro Ankorondrano no hanaovana ny famindram-pahefana, ary hatreto dia mitombina tanteraka ny voalazan’i CRTIM matoa novana ny filoha mpitarika io antoko, saingy mbola azo averina ao an-dapa ve ireo nisintaka sahy nanatsikafona ny tsy nety tao an-tokantrano ka nampisavoritaka ny rehetra ary nahatonga ny filohan’ny Nosy nanambara fa tsy vaky fa mitriatra ? Fanavaozana goavana no miandry ity filoha vaovao ity, ka antenain’ny rehetra fa ahazo ny fankatoavan’ny maro an’isa rehefa hiatrika ny kongresin’ny TIM.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024