Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 11h48
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Lapa vaovao

    lundi 19 novembre 2007 | Naivo kely |  2481 visites
    Valo volana monja dia ho vita ny lapa vaovao etsy Ambohitsorohitra izay hisy rihana telo ho fanampin’ny toeram-piasan’ny filoha no antony nananganana ity lapa ity. Vola Ar.1,800 tapitrisa no enti-manatontosa ity asa ity, izay voalaza fa vola tafiditra ao anatin’ny teti-bolan’ny fiadidiana ny Repoblika no hanaovana izany. Nambaran’ny filoha Ravalomanana fa io vola io dia saika hanatsarana ny trano ao Ambohitsorohitra, kanefa dia navadika ho asa mivaingana tahaka izao. Ho azo antoka izany fa hisy (...)
  • Tsy azo tsipahina

    samedi 17 novembre 2007 | Naivo kely |  720 visites
    Tsy hisy fahagagana mety hampiova ny voka-bato any Mananara Avaratra sy any Bealanana intsony, raha ny tarehimarika azo avy any antoerana no jerena. Lavitra ny elanelam-bato azon’ny AME raha mitaha amin’ny an’ny TIM, any amin’ny distrikan’i Bealanana, ary toy izany koa ny eo amin’ingahy Zakahely sy ny TIM any Mananara Avaratra. Ireo tanàn-dehibe sy faritra be olona no efa voaray ny vokatra ka izay no ilazana fa tsy hampiova tarehi-marika firy intsony izay vokatra farany tonga etsy amin’ny (...)
  • Ovao ny fomba fijery

    vendredi 16 novembre 2007 | Naivo kely |  784 visites
    Toa mivadika ho fankahalana olona indray ny fahitana ireo fotodrafitr’asa napetraka teto andrenivohitra nandritra ny volana vitsy izay, satria lasa kandida ilay olona nanao izany. Asa tsy nampitsanga-menatra ny firenena Malagasy nandritra ny lalaon’ny nosy ireny, ary mbola reharehantsika hatramin’izao, kanefa mbola mipetraka ilay fomba fijery fa tsy azo hanina ireo asa napetraka ireo. Fa ngaha moa raha kandida hafa no tafakatra eo dia ho voky avokoa ny vahoaka, ary tsy hanao asa mihoatra noho (...)
  • Zoky sy zandry

    Mifanohana ny zanak’i Dada

    jeudi 15 novembre 2007 | Naivo kely |  679 visites
    Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’i Rec TIM eto Analamanga izay nanambara fa manohana ny TIM rehetra eto Analamanga, ary amin’ny maha-ben’ny tanàna azy teo aloha teto an-dRenivohitra dia manohana an’i Hery Rafalimanana. Tsy asiana ady hevitra fa miteny ho azy ny zava-bita tao anatin’ny sivy volana izay hita fa tafapetraka ny fitohizan’asa teo amin’ireo ben’ny tanàna nifandimby. Niainga tany amin’ny ben’ny tanàna Marc Ravalomanana, niampita tamin’i Patrick Ramiaramanana, ary io hiarahana mahita io (...)
  • Fifidianana tany Mananara

    Nitarika i Zakahely Boniface

    jeudi 15 novembre 2007 | Naivo kely |  596 visites
    Omaly hariva tokony ho tamin’ny 9 ora alina dia birao fandatsaham-bato miisa 12 no voaray tany Mananara Avaratra, ka mitarika amin’isam-bato 2665 ny kandida Zakahely, ary ny TIM kosa dia manana isam-bato 722. Izany hoe misy elanelam-bato 1943 izany eo amin’ireo kandida roa heverina fa mitàna ny sain’ny mpifidy ireo. Tsy vokatra ofisialy io, fa raha eo amin’ny fifidianana ho ben’ny tanàna sy mpanolon-tsaina kosa indray, dia fantatra fa tsy nahafeno ny taratasy ilaina ara-panjakana ahafahana (...)
  • Tsy milamina

    mercredi 14 novembre 2007 | Naivo kely |  749 visites
    Mitohy ny loabary andasy atao eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izay tarihan’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, ka niompana tamin’ny fanjakana tsara tantana sy ny sehatry ny fitsarana ny raharaha ary ny serasera ny ady hevitra. Nomeny lanja manokana ny fanjakana tan-dalàna, ary toy izany koa ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Manjaka ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara ka miraviravy tànana ny ankamaroan’ny vahoaka satria tsy misy rindran-damina ny fiarovana ny firenena. Hentitra ny (...)
  • Fiakatry ny karama 12%, ny hetra alaina 25%

    lundi 12 novembre 2007 | Naivo kely |  934 visites
    Dia tapaka indray izany fa hakan’ny fanjakana 25% ny karaman’izay mandray sahala na mihoatra ny 180.000 Ar isam-bolana manomboka io taona hitsidika io, mba hamenoana ny kitapom-bolam-panjakana mba ahafahana mampandroso haingana ny firenena. Ny hetra no voalohany amin’ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena iray manontolo, ka raha manify io, dia ho zava-poana ny fandrosoana eto. Kivy indray ny isan-tokano nandre io filazan’ny fanjakana io, satria vao tsy ela no hialana 15% ny isan-tokantrano (...)
  • Famerenana fifidianana

    Tsy matahotra ny ho faty i Zakahely

    lundi 12 novembre 2007 | Naivo kely |  801 visites
    Ny sabotsy maraina teo no nanao fanambarana ny kandida Zakahely izay milatsaka any amin’ny faritry Mananara avaratra, fa tsy matahotra ny fampitahorana ataon’ny hafa fa ho samborina ny tenany. Taorian’ny fandalovan’ingahy Sylla, filohan’ny antenimieram-pirenena tany amin’io toerana io tokoa dia nandeha ny feo fa tsy afaka ny hiatrika ny fifidianana famerenana ity kandida ity satria tsy maintsy samborina mialohan’ny fotoana. « Hitondra ny feon’ny vahoaka eny Tsimbazaza no tanjoko fa tsy hamotika (...)
  • Atao kankana ny MAP

    samedi 10 novembre 2007 | Naivo kely |  784 visites
    Tonga dia vavany fa tsy asiana sasiny ny lahatsoratra anio, izay hiainga any amin’ny Madagasikara Amperin’Asa, izay samy manana ny handikany azy ny tsirairay. Eto anefa dia toa zary hanjakan’antoko tokana ny fampiasana ny MAP na dia voalaza aza fa ny vahoaka malagasy no nandany azy, saingy niainga tany amin’ny filoha Ravalomanana ny ati-doha nikotrika ny raharaha. Atao litania ho an’ny kandida izy io isaky ny fifidianana tahaka izao, ary ireny niarahana nahita ireny ny fampiasan’i TIM azy, izay (...)
  • Maty vao ramalala

    vendredi 9 novembre 2007 | Naivo kely |  1134 visites
    Niravaka mari-boninahitra ireo mpanakanto nalaza nodimandry tao ho ao, ka isan’ny nahazo izany farany i Zafihita sy i Toty, ary nomena sehatra manokana tetsy amin’ny tranom-pokonolona Analakely mba hiandrasana ny nofo mangatsiaka. Fihetsika mampihetsim-po ny toy izao, saingy voninahitra tsy noravahan’ny velona fa anara-tsy very ho an’ny maty. Firy ireo zoky olona tsy hanavahana asa atao sy sehatra politika nampiakatra avo ny voninahitry ny firenena, saingy mazana olatra na kilaoty rovitra no (...)
  • Trakita hafahafa

    Hosoram-potaka ny PDS

    vendredi 9 novembre 2007 | Naivo kely |  751 visites
    Tsikaritra omaly teny Mahamasina sy Ambanidia fa nisy trakita vitsivitsy naparitaka izay manome endrika ratsy ny PDS Hery Rafalimanana rano ray no voalaza ao anatiny. Nokilasiana ho toy ny fahavalom-pirenena ny asa vitan’ity PDS ity tao anatin’izay sivy volana izay, ary ny tena loza dia ny fahitana tao anatin’io taratasy namparitaka io ny fanompana vary raraka an’ingahy PDS. Fifidianana no ataontsika ny alarobia 12 Desambra, kanefa efa hita sahady ny endriky ny tsy fahazakana izay vokatra (...)
  • Delestazin’i Jirama

    Maivan-danja ny serasera

    vendredi 9 novembre 2007 | Naivo kely |  509 visites
    Fitaovana raitra isan-karazany no tonga eto Madagasikara izay handrafitra ny fahazoan’ny Malagasy angovo ampy mifanahaka amin’ny filan’ny mpanjifa. Ny ministry ny angovo teo aloha Patrick Ramiaramanana, dia nanambara fa ny fioatombohan’ny taona 2008 no fanamby napetrany fa hanafoanana iray manontolo ny delestazy, ary nanome fanamby fa raha tsy tanteraka io, dia vonona hizaka ny teny nomeny. Manao zavatra tsy mora, kanefa ny vola miala ampaosin’ny isan-tokantrano koa tokony ho tandrovina. Jiro (...)
  • Potika i Zakahely

    jeudi 8 novembre 2007 | Naivo kely |  1081 visites
    Tsy hisy mpanohitra afaka haneho hevitra intsony eto, satria izay mba kely nananana nantenaina hitondra ny feon’ny ankilany ho eny amin’ny Antenimieram-pirenena, dia niharan’ny sazy mihatra navoakan’ny fitsarana 30 volana an-tranomaizina. Taorian’ny namerenana ny fifidianana tany Mananara-Avaratra izay hita fa nitarika tamin’ny isam-bato lavitra i Zakahely ka novereziny lavitra be ny kandida natolotry ny TIM dia efa tsinjo ny mety mangidy ho zakain’ity depiote avo vava teo aloha ity. Potika i (...)
  • Vidin-tsolika eran-tany

    Aiza ny aro-riaka ho an’ny vahoaka

    mercredi 7 novembre 2007 | Naivo kely |  368 visites
    Miandry izay higadonan'ny sondro-bidy eo amin'ny barilan-tsolika mahatratra 100 dolara ny Malagasy, izay azo vinavinaina fa hampitondra ny mangidy eo amin'ny isan-tokantrano. Tsy isika eto Madagasikara ihany no mizaka izany fa maneran-tany, kanafa tsy mitovy velively ny fiatraikan'io any ivelany sy ny eto Madagasikara. Manana ny ampy eo amin'ny ho enti-manana ny firenena maro eran-tany ka tsy hampihetsika firy ny ao ambilaniny sy ny tahiriny izany, satria ambony ny mari-karama azon'ny (...)
  • WC lafo vidy

    mardi 6 novembre 2007 | Naivo kely |  946 visites
    Raha nitokana ny trano fivoahana sy fidiovana eto an-drenivohitra ireo tompon'andraikitra ao amin'ny kaominina eto an-tanàna, dia mananika ny 20 tapitrisa Ariary no nenti-manana tamin'izany. Maromaro anefa ny trano fivoahana hita eto, ka samia manao kajy an-kandrina ny vola mivoaka hanaovana io fotsiny. WC tsy ngeza na manao ahoana loatra anefa no vita kanefa dia io ny tarehi-marika nivoaka. Eo no hisintonana ny sain'ny rehetra, trano fanariana maloto sy fidiovana aza izany no vola lany, (...)
  • Andry Rajoelina

    Kandida vonona ary sahy !

    lundi 5 novembre 2007 | Naivo kely |  2141 visites
    Hentitra ingahy Andry Rajoelina nanambara imason’ireo olona nasainy tetsy amin’ny Carlton Madagascar ny sabotsy lasa teo izay nilazany fa hilatsaka ho Ben’ny tanàna eto andrenivohitra ny tenany, ary Ben’ny tanàna ho sahy fa tsy sanatria ho kanosa. Tsy kandidan’ny mpanohitra na ny mpomba na ny antoko politika izy fa an’ny tanora sy ny Malagasy rehetra. « Antananarivo maoderina no tanjontsika, ary apetraka ny fanamby amin’ireo fotodrafitr’asa isan-karazany mifanentana amin’ny filan’ny vahoaka amin’ny (...)
  • Toko telo

    lundi 5 novembre 2007 | Naivo kely |  538 visites
    anana izay ho ataontsika amin’ny 12 desambra izay hanjakan’ny tanora sy olom-baovao ny sehatra raha ny andrenivohitr’i Madagasikara no asian-dresaka. Andry TGV, Hery Rafalimanana, Marc Ramiaranjatovo ben’ny tananan’Alasora izay hirotsaka eto andrenivohitra. Ireo no nanao fanambara tao anatin’ny faran’ny herinandro teo hiady ny amboara eto Iarivo. Toko telo tsy mifameno ireo fa mifanipaka, satria tsy hisy hifampitsitsy na eo amin’ny vava avoaka na ihany koa eo amin’ny resaka ara-bola sy fitaovana. (...)
  • Vola baoritra

    samedi 3 novembre 2007 | Naivo kely |  681 visites
    Dify ilay fotoana nampiheritreretan'ny fiombanan'ny mpanohitra mba hamalian'ny fitondrana ilay heveriny fa marimaritra iraisana izay be mpitaky ny hanovana ny lalam-pifidianana sy ny hanaovana bileta tokana ary ny sehaytra hafa ivelan'ny fanjakana no hamaritra sy hitantanana ny fifidianana. Rano araraka andamosin-gana hatrany no setrin'ny fangataham-pihaonana sy izay mba soson-kevitra naron'ny mpanohitra. Tsy handray anjara amin'ny fifidianana ry zalahy sy zavavy rehefa manao be marenina ny (...)
  • Kolontsaina

    Ny vola hatrany no manjaka

    vendredi 2 novembre 2007 | Naivo kely |  521 visites
    Tsy asiana sasiny fa tonga dia vavany, iza no afaka hampandroso ny kolontsaina sy ny zava-kanto eto Madagasikara ? Dia isika rehetra no miara-mamaly izany. Harena sarobidy tsiriritin’izao tontolo izao ny kolontsaintsika zay heverina fa azo trandrahana tsara hampidirim-bola ho an’ny tanindrazana, ary hanome lanja eo imason’izao tontolo izao, saingy izay ve ny zava-misy? Kolontsaina tsy miparitaka eny anivon’ny fiaraha-monina samy mampanjaka ny heveriny fa maha-mety azy ny tsirairay, hany ka zara (...)
  • Tandrimo

    vendredi 2 novembre 2007 | Naivo kely |  581 visites
    Fanina ny mpifidy ary milofika ao anatin’ny hafanam-pony manoloana, savorovoro mitranga ataona antoko politika isaky ny fifidianana izao. Apetraky ny antoko ny kandida arotsany, saingy tsy mahafa-po ny eny ifotony, ka io miteraka gidragidra lava izao isaky ny fifidinanana. Anaran’olon-kafa tsy faheno ary tsy hita teny anivon’ny fiaraha-monina hatramin’izay no indro fa mirehoka ho nahazo ny fon’ny birao foibe ka tsy maintsy ho enken-teny ho an’ny vahoaka izay mihevitra ho mpikambana sy mpanohana. (...)

0 | ... | 420 | 440 | 460 | 480 | 500 | 520 | 540 | 560 | 580 | ... | 660

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS