Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 16h31
 

Malagasy

Famerenana fifidianana

Tsy matahotra ny ho faty i Zakahely

lundi 12 novembre 2007 | Naivo kely

Ny sabotsy maraina teo no nanao fanambarana ny kandida Zakahely izay milatsaka any amin’ny faritry Mananara avaratra, fa tsy matahotra ny fampitahorana ataon’ny hafa fa ho samborina ny tenany. Taorian’ny fandalovan’ingahy Sylla, filohan’ny antenimieram-pirenena tany amin’io toerana io tokoa dia nandeha ny feo fa tsy afaka ny hiatrika ny fifidianana famerenana ity kandida ity satria tsy maintsy samborina mialohan’ny fotoana. « Hitondra ny feon’ny vahoaka eny Tsimbazaza no tanjoko fa tsy hamotika tanindrazana », hoy i Zakahely, « ary na tsy omena karama sy tambiny aza tsy olana amiko, satria lehibe loatra izany fiarovana ny feon’ny Mananara Avaratra izany ».

Miantso ny mpanara-maso ny fifidianana ihany koa ny lehilahy mba hidina any amin’io faritra io, satria ilaina ny mangaraharaha amin’ny famerenana fifidianana toy izao. Miantso ny vahoaka ho tony izy mba tsy ho tafiditra ao anatin’ny vela-pandriky ny hafa. « Rovitra tanteraka ary tsy hita intsony ny afisiko anaovan’ny mpisompatra azy, kanefa aoka hazava fa ny safidim-bahoaka ihany no hitsara izao rehetra izao », hoy ihany izy namarana ny fanambarana nataony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS